Nanomboka omaly ary mifarana androany alarobia ny atrikasa karakarain’ny sampan-draharaha « Samifin » miaraka amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miomboka aminy, mikasika ny ady atao amintsika momba ny fanadiovam-bola sy ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana.
Miatrika izao atrikasa izao avokoa ireo mpitandro ny filaminana misahana ny fanadihadiana, ireo mpisehatra amin’ny resaka ara-bola samihafa, ary ny mpitsara eo anivon’ny fampanoavana sy ireo mpitsara mpamoaka didy. Ny resaka lalana mifehy sy manenjika ireo mpanao fanadiovam-bola sy mpanao asa fampihorohoroana, sy ho fampitoviana ny traikefa, ary ny fahaiza-manao, eo amin’ireo mpiara-miasa rehetra ireo. Nandritra ny folo taona nijoroan’ny Samifin hatramin’ny taona 2008 niforonany, dia nisehatra tamin’ny fanentanana sy fampahalalana ny dingana voalohany nataon’izy ireo, saingy nanomboka ny taona 2016, dia niditra tamin’ny sehatry ny fampiharana ny lalana amin’izay izy ireo. Nanomboka teo no nisy ny vokatra azon’ny Samifin na mbola tena kely raha mihoatra ny fanadiovam-bola eto amintsika aza, satria tamin’ireo antontan-taratasy tena nisian’izany mivantana niisa efatra nalefan’ny Samifin teny amin’ny fitsarana, dia ny telo tamin’izany no voasazin’ny fitsarana noho ny heloka fanadiovam-bola vitan’izy ireo.
Nambaran’ny Samifin teto Toamasina tamin’ireo mpiara-miasa aminy, fa ny resaka ara-barotra, ny fanamboaran-trano, ny fivarotana fiara lafo vidy, ny fanafarana entana avy any ivelany indrindra ny resaka entana ilaina amin’ny fiainana an-davanandro, ny fanondranana entana indrindra ny resaka vokatra fanondrana samihafa, ny fanamboaran-trano goavana isan-karazany, ary ny famoronana orinasa tsy misy na tsy miasa akory, no tena hitrangan’ny fanadiovam-bola eto amintsika, satria eo amin’ny lafiny ara-ketra, sy ny ara-bola amin’ny fanondranana ireo harem-pirenena an-tsokosoko no tena ampiasain’ireo mpanadio vola maloto eto amintsika mandritra izany.
Manantena anefa ny Samifin, fa taorian’izao atrikasa roa andro teto Toamasina nokarakarain’izy ireo izao, dia hisy hatrany sy hihamaro amin’izay ny vokatra ho azo mikasika ity fanadiovam-bola sy famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana eto amintsika ity. Nitarika ny ekipan’ny Samifin nanao izao atrikasa izao teto Toamasina ny tale jeneraliny Atoa Lamy Boto Tsara Dia.
Malala Didier