- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsaralalàna : Fandrobana 100 tapitrisa Ar, olona efatra hatao fanadihadiana

Tsaralalàna : Fandrobana 100 tapitrisa Ar, olona efatra hatao fanadihadiana

Mitohy tsy mijanona ny “operation” ataon’ny polisy amin’ny alina eto an-drenivohitra.

Nanao tatitra ho an’ny mpanao gazety ny alatsinainy maraina teo ny “Comissaire Central” Ratsihombahina Germain, ka tamin’izany no namelabelarany ny paikadin’ny polisy momba ny fandriampahalemana eto amin’ny tanànan’ Antananarivo sy ny manodidina.

Notsindriny tamin’izany ny momba ny raharaha Molou, izay fanafihana farany teo tetsy akaikin’ny BFV Tsaralalàna, ka nanambarany fa metatra vitsivitsy teo amin’ilay rond point manoloana ny Conforama dia nisy polisy nijoro, kanefa tsy nisy nampandre, na dia minitra maromaro aza ny fotoana lanin’ilay mpangalatra namelona ilay moto Scooter nitsoahany. Efa misy olona mihoatra ny efatra moa amin’izao fotoana izao no voasambotra hanaovana ny fanadihadiana, hanafarana ireo mpandraharaha mpikirakira volabe mba ho mailo eo am-panantanterahana ny asan’izy ireo.

Nisy ihany koa ny fahatratrarana basy PA tamin’ny fisavana natao ny alin’ny zoma lasa teo ka nanoroan’ity farany ny tompon’ny basy,izay mpitandro ny filaminana, ary efa nanaiky koa moa ny tompon’ny fitaovam-piadiana ka mbola ao anatin ‘ny fanadihadiana tanteraka.

Efa hiditra amin’ny herinandro fahasivy moa isika izao teo amin’ny fanaovana ny fisavana sy ny fitsirihana ireo mpivarotra toaka amin’ny alina izay tsy maintsy hakatona amin’ny sivy ora alina. Na dia misy aza ireo fivarotana sasany izay ana polisy sy solombavambahoaka dia tsy maintsy manara-dalàna hatrany. Voasambotra nandritra izany ny olona 144 tsy nanana karatra, 51 kosa ireo mamo an-dalambe ary 109 ireo izay nahatrarana zava-maranitra na koa hita eny amin’ny toerana, izay tsy tokony hijoroana na tsy manana anton-dia amin’izany toerana izany .Ireo mamo na nahatratrarana rongony kosa dia miisa 16 no voasambotra. Ka mbola hanentanan’ny polisim-pirenena hatrany fa nihena tokoa ny raharaham-panafihana hatramin’izay nanaovana ny « opération » toy izao.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser