- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAlarobia Amboniloha : Mpanao « mena mahazo » saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Alarobia Amboniloha : Mpanao « mena mahazo » saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Vola aman’hetsiny niaraka tamin’ny firavaka sarobidy no lasa, tamin’ny alalan’irony kilalao fantatry ny maro amin’ilay hoe « mena mahazo » irony, izay karazana fisolokiana avo lenta ihany, teny amin’iny faritra Alarobia Amboniloha. Ity lasibatra nitomany eran’ny tanana no nanaitra ny olona ka nisamborany an’ireo « mpisoloky ». Vehivavy iray no tsy afa-niala raha tafatsoaka ireo namany.

Vetivety dia nitangorona tokoa ny olona. Ireto farany izay efa tezitra avokoa ny amin’ny afitsok’itony mpanararaotra itony. Mbola namaly ihany moa ity vehivavy tratra ity fa hoe mitady amin’ny fomba ara-dalàna izy ary teny nierana tamin’ilay olona no nahazoany an’ilay vola sy ilay firavaka. Na izany aza, hoy ireo fokonolona efa nanomboka ho tezitra, efa fantatra fa fisolokiana avo lenta io karazan-doka io ary efa noraràna. Efa saika niainga ny vono teo saingy tonga haingana teo an-toerana moa ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fokontany nandamina ny resaka. Fotoana fohy taorian’izay ihany koa no tonga ny pôlisy naka ity vehivavy ity. Raha ny angom-baovao dia toa hoe efa karazan’ny mpisoloky rain-dahiny ity vehivavy ity sy ny namany. Saingy anjaran’ireo mpitandro filaminana no manao ny fanadihadiana mahakasika izany sy mikaroka ireo namany raha toa ka marina hatreto io filazàna io.

Anisan’ny karazan-doka efa noraràna, ary enjehin’ireo mpitandro filaminana ity « mena mahazo » ity. Mazàna dia eny amoron-dalana eny ireo mpampilalao azy ireo ka tsy misy afa-tsy karatra telo monja no ampiasainy, izay ahitana loko roa : mena sy mainty. Mihohoka ireo karatra ireo ary ampifamadibahana ka izay mahita ilay loko mena no mahazo. Ampitomboin’izy ireo avo roa na telo heny izay vola apetrak’ilay milalao raha toa ka hitany ilay loko. Karazana hakingan-tanana ihany izy io saingy rehefa tena tomorina akaiky dia miendrika fisolokiana goavana. Ary izay lafiny izay no antony nandraràna izy io. Saika mpinamana avokoa mantsy izy ireo no manodidina ilay baoritra kely ary amin’ny voalohany dia ataony mahazo foana ilay lasibatra. Rehefa mandeha elaela anefa ka tamana io olona io dia eo amin’izay no ahavoazan’izy ireo. Resaka mandeha ihany koa ny hoe mampiasa « fanafody gasy » izy ireo entiny handrebirebena ilay hosolokiana saingy hatreto dia tsy mbola voamarina ny mety ho fisian’izay zavatra izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici