Nitsoaka ny toby fivavahana iray izy dia nody tao an-tranony. Teo dia novonoiny tamin’ny antsy ny zanany roa ary novonoiny koa ny vadiny. Nijanona tao an-tranony izy nony avy eo. Izany no nitranga ny alin’ny talata teo tao Antanifotsy. Misy aretina mitaiza ilay rangahy raha araka ny fanamarihana azo. Heverin’ny maro ihany koa anefa fa misy fanahy mitoetra ao aminy ary rehefa mihetsika izany dia io tonga amin’ny fanatontosana heloka bevava io. Tsy nitsoaka tao amin’ilay tokantrano izy ary na ny fisamborana azy aza dia nanahirana satria mbola nihetsika hatrany ny aretiny. Nihidy ny trano ary tsy maintsy nitady lalana hafa ny zandary niditra tao an-trano mba hahafahana misambotra azy. Omaly dia mbola nitohy ny fanadihadiana azy izay notontosain’ny mpitandro ny filaminana.
D.R