Nirefoderofotra ny basy teny Ankadindramany omaly alina tokony ho tamin’ny sivy ora teo ho eo. Araka ny fanangonam-baovao dia olona roa no naratra tamin’izany fanafihana izao. Heno aloha hatreto fa andian-jiolahy nanafika olona handeha hody avy nivarotra no nahavanona izao asa-ratsy izao. Tsy ela tao aorian’io fanafihana io anefa dia efa tonga teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana ka ho fantatra eo ihany ny tohin’ity raharaha ity.
T.M.