- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanana : Fifandonana tamin’ny dahalo, miaramila iray maty

Tsaratanana : Fifandonana tamin’ny dahalo, miaramila iray maty

Olona dimy no maty, ka ny efatra tamin’ireo no dahalo ary ny iray kosa dia miaramila. Basy kalach iray no very niaraka tamin’ny fitoeram-bala. Izay no vokatry ny fifandonana mahery vaika niseho teo amina andian-dahalo etsy an-kilany, ary ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona an-daniny tao Ambatolampy, kaominina Tsaratanana, omaly atoandro.

Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia nisy fanafihan-dahalo niseho tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Bemololo, omaly maraina. Omby am-polony maro no lasan’ireo andian-dahalo izay mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy « kalach ». Taorian’ny fanafihana dia nanatanteraka fanarahan-dia avy hatrany ireo fokonolona sy miaramila vitsivitsy tany an-toerana. Zavatra hafa mihitsy anefa no nisedra azy ireo tokony ho dimy kilaometatra monja niala teo, tao amin’ny fokontany Ambatolampy. Namahatra tao amin’io tanana io ireo andian-dahalo raha ny fantatra hatrany ary tao no nanangonan’izy ireo omby aman-jatony maro nalain’izy ireo. Raikitra teo araka izany ny fifandonana teo amin’ireo mpanara-dia sy ireo dahalo. Sendra ny be noho ny vitsy anefa ireo fokonolona sy miaramila ka io lavo io ny iray tamin’ireto farany. Nisy tamin’ireo miaramila sy ny fokonolona ihany koa no naratra mafy voan’ny bala. Tetsy andanin’izay ihany koa anefa dia nisy dahalo efatra no tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony taorian’izay. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia very tao anatin’ny fifandonana ny basin’ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana ireo, niaraka tamin’ny bala. Omby an-jatony kosa, manodidina ny 160 eo ho eo no azo teo am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy ary efa naverina tamin’ny tompony avokoa. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy izay nitsoaka moa rehefa hitan’izy ireo fa tsy voatosika ireo fokonolona sy ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici