- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambo « LUMINA » : Niala ny seranan’i Toamasina, omaly

Sambo « LUMINA » : Niala ny seranan’i Toamasina, omaly

Hagagana ny an’ny rehetra raha nahita ny alakamisy vao mangiran-dratsy, fa niala tsy nisy romoromo tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ilay sambo naha-be resaka ny taona 2017, dia ny sambo “Lumina” izany. Ny orinasa mpisahana fanondranana sy fanafarana entana (Import – Export) “Tsaralaza” manana ny foibeny ao Ampasimazava no nisahana azy tamin’izay fotoana izay. Raha ny angom-baovao natao; izay sarotra ihany ny fanangonana azy noho ny fanakatonam-baravarana ho an’ireo sehatra tokony ho nakana izany, noho ny fahasarotan’ny raharaha nanenjika ny sambo “Lumina”.

Tsy voageja” Raha ny fanazavana azo mikasika ny fahazoan’ity sambo “Lumina” ity nivoaka ny seranan-tsambo afaka manao ny asa fitaterana an-dranomasina fanaony, dia tsy isan’ny voageja tamin’ny rarahara nitranga ny volana febroary 2017 ity sambo ity, fa ny entana tao anatiny sy ny mpanamory azy ary ny tompony nisahana ny fampiasana azy ihany no nenjehan’ny fitsarana noho ny heloka vitan’izy ireo. Noho izany araka ny angom-baovao natao ihany, dia ara-dalana ny taratasy mikasika azy na ara-pitsarana , na ara-pitaterana an-dranomasina, koa tsy afaka manakana izany ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina sy ny “capitainerie” ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ny vaovao farany azo momba ity sambo “Lumina” ity izao, dia eo am-pizorana mihazo an’Antsiranana haka ny entana efa nahazoany tolo-barotra ny mpanamory azy araka ny “Bon Partance” azony.

Namidy…? Vao tratra tao Cap Masoala ity sambo ity, noho ny heloka vitany ka notarihana nihazo ny seranan-tsambon’i Toamasina, dia efa nanana vinavina ny hivarotra azy ny tompony tamin’izany; saingy noho ny olana mbola nisafotofoto izay lasa raharaham-panjakana noho ny fidiran’ny prezidansa sy ny primatiora tao anatin’ny raharaha, ka lasa sanganehana ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana mpanao fanadihadiana tokony ho nisahana ny raharaha mba nivoahan’ny tena marina. Amin’izao fahazoan-dalana azony ahafahany miasa izao indray, dia voalaza ny angom-baovao fa namidin’ny tompony ity sambo ity, izay nohazonina ho tsiambaratelo tanteraka ny nahazo azy na misy anarana mpandraharaha sangany amin’ny vokatra fanondrana mandehandeha aza re ankehitriny nividy azy. Vaovao avokoa ihany koa ny mpanamory ny sambo “Lumina” noho ireo mpiasa teo aloha tao aminy mbola miandry fitsarana am-ponja avokoa 18 volana aty aoriana.

Tantara. Raha hiverenana ny raharaha nanenjehana ity sambo “Lumina” ity, ny volana febroarin’ ny taona lasa, dia noho ny fanaovany fakana sy fanondranana an-tsokosoko andramena, izay mbola tratra tao anatin’ny sambo ireo bolabola 341. Ireo mpitandro ny filaminana manokana nirahan’ny prezidansa sy ny primatiora no nisambotra azy ireo tao Cap Masoala nandritra izany. Nefa raha ny “Bon Partance” azon’ity sambo ity tamin’izay, dia tokony ho i Mahajanga no nalehany niaraka tamin’ny sira 1.065 taonina; nefa nivadika nihazo an’i Maroantsetra indray raha avy nanatitra ny sira 325 taonina tao Vohemar tamin’ny sira 360 taonina nentiny tamin’izany ka sira 35 taonina sisa tao anatiny raha nandeha haka ireo andramena tao Cap Masoala ity sambo ity. Efa nogiazana ireo andramena nentiny, mbola mihantona eo anivon’ny fitsarana koa ny antontan-taratasin’ireo mpanamory ny sambo rehetra sy ny tompony; izay nalefa any Tsiafahy mihitsy, raha efa nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay ramatoa izay nifonja vonjimaika tao Antanimora.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici