Tokantrano iray indray no nataon’ny jiolahy lasibatra, tao amin’ny fokontany Ambatomanjaka, ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, ny alin’ny talata lasa teo. Tsy nisy ny naratra na aina nafoy, saingy zava-tsarobidy maromaro niaraka tamin’ny vola an-tapitrisany kosa no lasan’izy ireo.
Jiolahy maromaro izy ireo araka ny fanazavana azo avy tamin’ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny , nirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra. Tao anatin’ny torimasony mihitsy ireo mponina no tonga ireto jiolahy ireto, tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo ho eo. Efa nizarazara tamin’ireo tokatrano ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, niambina ireo sasany tsy hivoaka. Ary avy hatrany dia nanao amboletra niditra, rehefa avy nanapitsoka ny varavarana. Nentanin-tahotra rahateo ireo mponina ka tsy nisy sahy akory nanohitra ireto farany. Neken’izy ireo avokoa izay rehetra nangatahin’ireo olon-dratsy, izay nanao izay danin’ny kibony tokoa naka izay zakany. Araka ny angom-baovao azo, dia vola manodidina ny telo hetsy sy roa tapitrisa ariary no lasan’izy ireo, niaraka tamin’ny finday sy entana maromaro. Ny bodofotsy tao an-trano ihany moa no namonosan’izy ireo ny entana nangalariny ary nitsoaka izy ireo nony avy teo. Taorian’io vao afaka niantso ny mpitandro filaminana ireo voatafika. Iretsy voalohany izay nanao izay nahatongavana haingana teny an-toerana, ary nanatanteraka avy hatrany ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L