- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Mpianatra iray no saika tratran’ny fakana an-keriny

Ambatondrazaka : Mpianatra iray no saika tratran’ny fakana an-keriny

Mpianatra  vavikely iray no nisy naka an-keriny  raha   nirava avy nianatra  ka niaraka tamin’ny namany. Mody  nantsoina ary  notambatambazana sy nofitahin’ireto mpaka an-keriny ity zazavavy ity ary avy hatrany dia tafiditra tao  anaty fiaran’ izy ireo  ny ankizy iray. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia nifamadika ny zaza tiana halaina, satria nisy namany iray  ity zazavavy ity, ka iny no tokony ho nalaina, hoy ny loharanom-baovao;  izay  zanak’olona manan-katao,  ka lasa ilay namany indray no voasambotra. Noho ny fahitan’ny manodidina ilay tranga,  dia navelan’ireo mpaka an-keriny ilay zazavavy ka tafaporitsaka, nilefa kosa ireo jiolahy. Niteraka resabe teto amin’ny renivohitr’ Alaotra Mangoro ity fakana an-keriny tsy nahomby ity, ary efa matahotra avokoa ny mpanambola eto  Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao, satria raha ny alarobia  teo no nisehoan’ny fakana an-keriny dia ny zoma tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva tany ho any indray   dia mpivarotra mpamongady iray no notafihan’ny jiolahy mirongo basy  tao amin’ny  trano fivarotany. Nalaky ny fiantsoana ny mpitandro ny filaminana ka sarona ny iray tamin’ireo jiolahy, ny namany kosa dia tafaporitsaka . Mihorohoro tanteraka ny vahoaka eto Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao, satria tsy azo andehanana ny alina noho ny fanendahana sy ny sinto-mahery ataon’ny jiolahy , hany ka manomboka amin’ny 4 ora sy sasany dia efa samy mihidy avokoa ny mpivarotra vaventy  noho ny tahotra ho voaroba. Miantso fandraisana andraikitra haingana ny mponina aty Alaotra amin’izao fotoana izao, satria mihorohoro vokatry ny asan-jiolahy, efa mandeha moa ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro ny filaminana.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici