- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversNosy Varika : Mpividy omby maty novonoina mpanera, lasa ny vola

Nosy Varika : Mpividy omby maty novonoina mpanera, lasa ny vola

Ny tapaky ny volana jolay lasa teo no nanomboka tsy hita ny vehivavy iray, tokony ho 25 taona, raha saika handeha hividy omby. Omaly izy no hita saingy efa ny vatana mangatsiaka sisa no hitan’ireo havany, nilevina tanaty fasika.

Tany amin’izany toerana antsoina hoe Tanambao, ao amin’ny kaominina Ambodiriana, ao amin’ny distrika Nosy Varika no nitrangan’ity vono olona feno habibiana ity. Raha ny zava-nisy tokoa mantsy nisy olona tonga nilaza tao amin’ity vehivavy ity fa misy omby azo mora any. 1.400.000 ary ny vidin’izy roa. Koa satria sady mpiompy no mpividy omby izy dia mahafantatra tsara tena azo hidirana izany ka nanaiky nanaraka an’ilay olona nilaza azy. Nanomboka teo anefa no tsy hita faty tsy hita velona intsony ity vehivavy ity. Nandray fepetra avy hatrany ireo fianakaviana ny handeha hampandre ny zandary tany an-toerana, ary nametraka ny ahiahy rehetra tamin’ilay olona nanera sy nitondra azy tany.

Efa niparitaka teo an-tanana tamin’io fotoana io ny resaka mahakasika ity mpanera ity ka efa nivonona ny hisambotra azy ny fokonolona, ny alarobia teo. Nilaza tamin’ireo fokonolona ity voasambotra fa hoe niaraka taminy fotsiny teny an-tsasa-dalana izy raha ho any Anosindrazana, toerana izay voalazany fa misy ilay omby. Mbola tsy niala tamin’ity farany na dia izany aza anefa ny ahiahian’ireo fokonolona ka nasaina nanoro izany toerana izany ny tenany. Teny an-dalana anefa no nanita-kevitra nitsoaka ranamana, saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra indray. Teo no niditra an-tsehatra ireo mpitandro filaminana, nitondra azy haingana niala teo amin’io toerana io, ary nentina notazomina tany Mananjary.

Ny fanadihadiana nataon’ireo zandary, andro vitsivitsy taty aoriana no nahafantarana ny toerana nandevenan’ilay nahavanon-doza ny vatana mangatsiakan’ilay vehivavy. Araka ny tatitra tokoa dia tena novonoin’ity mpanera ity teny an-dalana ilay vehivavy. Nalainy ny vola ary nasitriny tanaty fasika ny razana. Ny tongotr’ity farany izay tsy voatotra sisa no namantarana ny toerana nisy azy, niaraka tamin’ireo fitaovana vitsivitsy azy, toy ny kiraro sy pôketra izay hita tsy lavitra io faritra nisy ny razana io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici