- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversFanaparitahana sarina kandida : Olona roa voasambotry ny polisy teto Toamasina

Fanaparitahana sarina kandida : Olona roa voasambotry ny polisy teto Toamasina

Nanomboka ny talata teo dia saika nahitana ireo sariben’Ingahy Rajoelina ny rindrina teto Toamasina, tahaka ireny efa manao fampielezan-kevitra ireny, satria ilay sary be nandritra ny fanambarany ny firotsahany tao amin’ny “palais de sport” Mahamasina misy ilay sary na bileta ny Mapar iny ireto sary miparitaka sy misy mametraka isaky ny rindrina eto Toamasina ireto. Misy ny fanasoketa antoko politika ataon’ny Mapar amin’izao tranga izao, nefa hatreto dia tsy mbola fantatra mihitsy ireo olona manarama ireo olona mametraka azy. Nisy ny “operation” nataon’ny ekipan’ny Mapar Toamasina sy ny mpitandro ny filaminana, ka ny alakamisy alina tao Anjoma dia nisy olona roa tratran’izy ireo teo am-pametahana mihitsy ireto sariben’i Andry Rajoelina ireto. Raha nisy anefa ny fanadihadiana nataon’ny polisy taminy araka ny baiko nidina avy eny anivon’ny tonia mpampanoa lalana, dia olona nokaramaina fotsiny izy roa lahy tratra ireto, na ireo olona naniraka azy ireo aza tsy hainy akory fa andian’olona mitaingina fiara mizara vola dia roboka izy roa lahy. Ho an’ireo mpahay lalana dia tsy heloka ny fametrahana afisy toy izao, saingy ny zava-misy eto dia resaka kandida no resahina ka ny fanakorontanam-bahoaka sy ny fanakorontanana fanomanana fifidianana no azo anenjehana azy roa tratra nametraka sariben’i Andry Rajoelina ireto, satria mbola tsy fampielezan-kevitra isika izao; nefa na izany hoy ireto mpahay lalana dia olona nokaramaina ireto roa lahy tratra ireto. Izay no nahatonga ny fampanoavana nanemotra ny fandinihana ny antontan-taratasy fanadihadiana azy roa lahy anio indray raha efa omaly no niakatra teny amin’ny fampanoavana ny raharaha. Koa ho hita eo indray ny tohin’ny raharaha anio sabotsy.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici