Nitrangana fanafihana taksiborosy ny lalam-pirenena faha-4 (RN4 PK 160), ny alin’ny sabotsy hifoha alahady. Jiolahy maromaro mitondra basy no nanatanteraka izany tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany alina, tao Borokely, fokontany Tsiazokiraro, kaominina Tsaramandroso, distrikan’ Ankazobe.. Nobahanan’ireo olon-dratsy hazo ny làlana ka raha vao hiditra io toerana io ny fiara voalohany nitarika ireo fiara maromaro niara-dia avy any Mahajanga hihazo an’Antananarivo, dia tora-bato sy tifitra no nitsena azy ireo. Soa fa nisy kamiao lehibe iray naharava ilay sakana ka afaka nitsoaka ihany ny fiara rehetra. Na izany aza anefa, fiara Spriter iray no fantatra fa potika tanteraka ny fitaratra eo anoloana ka nandratra ny mpandeha telo tao anatiny izay nentina notsaboina haingana tao amin’ny Hopitalin’Ankazobe. Nahitana diam-bala ihany koa ny fiara Sprinter iray hafa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.
Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao Ankazobe sy Kiangara ary Manerinerina, raha vao nandre ny zava-nisy hanao ny fanenjehana ireo jiolahy. Tonga tany an-toerana ihany koa ny lehiben’ny « Groupement » Analamanga ; izay nitondra alika mpitsongo dia avy eny Ivato. Fantatra ary, fa omaly sabotsy ihany dia olona fito (07) ahiahiana ho nadray anjara tamin’ity fanakanan-dalàna ity no efa voasambotra ary tazonina ao amin’ny borigadin’ny Zandary ao Ankazobe. Fitaovana maromaro toy ny famaky, antsibe, «perc he » fakana sary, kiririoka, ary ody gasy maromaro no sarona teny amin’izy ireo. Mbola mitohy moa ny famotorana hatreto ka ho hita eo ihany ny ho fivoaran’ny raharaha. Ny tranga toy izao no ilaina ny hisian’ny mpitandro filaminana manaraka ireny fiara mpitatitra manao andiany ireny.
T.M.