Zaza telo niaraka tamina renim-pianakaviana telo no indray namoy ainy tany amin’iny fari-dranomasin’i Mahajanga iny ny sabotsy hariva lasa teo, taorian’ny faharendrehan’ny lakana iray, voalaza fa nandeha an-tsokosoko, eny fa na dia efa noraràna aza noho ny toetr’andro.
Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany teo ho eo no voalaza fa niala teo amin’ny sisin-tanin’i Mahajanga ity lakana iray antsoina hoe « Maevadia » ity, ary handeha hihazo an’i Soalala. Miisa 20 ireo mpandeha tao anatiny niaraka tamin’ny mpanamory azy. Tokony ho 15 minitra nialàny ny sisin-dranomasina anefa dia io fantatra fa rendrika io ilay lakana, nitondra olona ireto. Nisy avy hatrany ny fampandrenesana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy tany an-toerana mahakasika ity loza an-dranomasina nitranga tany an-toerana ity. Ary teo ho eo ihany dia efa nisy ny famonjena ireo olona dobo an-drano. 11 teo ho eo ireo mpandeha no avotra sy tody soa aman-tsara teny an-tanety. Vatana mangatsiaka enina kosa no nosarihana avy anaty ranomasina tany, tamin’io fotoana io. Araka ny voalaza hatrany dia mbola nisy olona telo, mbola tsy hita popoka tamin’io hariva io. Nitohy hatrany ny fikarohana nataon’ireo tompon’andraikitra, ka omaly tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany folakandro tany ho any ho hita ny vatana mangatsiaka iray. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo roa hafa.
Marihana fa tsy teo amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga ity lakana ity no niala, raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa toeran-kafa mihitsy, izay tsy fantatra hoe taiza na taiza. Ireo sambo sy lakana rehetra teo amin’ny seranan-tsambo mantsy dia efa nahazo toromarika avy amin’ny Sampan-draharaha mandrindra ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy, na ny APMF, fa tsy mahazo miainga, noho ny hamafin’ny rivotra, tamin’io sabotsy hariva io tany Mahajanga. Saingy ity rendrika ity dia mbola ninia nandeha ihany ka izao tra-doza izao.
m.L