- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversTanambao verrerie Toamasina : Saika raikitra ny sakoroka, fa tonga ny vadintany...

Tanambao verrerie Toamasina : Saika raikitra ny sakoroka, fa tonga ny vadintany handrava tanàna

Efa somary nangingina ity raharaha tany ifanolanan’ny fianakaviana an’arivony sy ny orinasa Filatex, araka ny voasoratra ao anatin’ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambony misahana ny ady madio eto Toamasina tato ho ao, dia niverina nifoha indray izany ny sabotsy maraina teo, tamin’ny fahatongavan’ny vadintany niaraka tamin’ireo andian-jatovo , sy mpitandro filaminana nentiny, fa  hanatanteraka didim-pitsarana raikitra amin’ny fandravana ny Tanana ao Tanambao Verrerie misy ny “Zone Economique Spéciale” (ZES) teo aloha. Tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany raha avy nampahalala ny fanatanterahana ny didim-pitsarana ilay vadintany dia raikitra ny fandravana trano sy famoahan’ireo andian-jatovo nentiny. Teo anefa dia saika raikitra ny sakoroka, satria efa niomana tamin’ny kibay sy antsy lava lela ireto fianakaviana an’arivony amin’ny hoe fiarovany ny fananany. Tonga nanelanelana ny depioten’i Toamasina II Roilahy Jonah sy ny mpiara-miasa amin’ny depioten’i Toamasina I Famindra Justin, nandamina ny raharaha mba tsy hisian’ny faty olona sy faharatrana, ka niangavy aloha ny hampitsaharana ny fandravana, satria efa fotoam-pifidianana isika izao ka tsy tsara ny hisian’ny korontana sy sakoroka eto. Ny tena nampisy ny olana raha ny fanazavan’ireo mponina marobe, dia tsy nisy fampilazana mialoha ny zavatra nataon’ilay vadintany raha tsy sabotsy maraina nahatongavany. Nandritra ny fandravana sy famoahana ny entana nataony anefa, tsy nisy ny tatitra nataon’ilay vadintany, ka maro ireo fianakaviana nilaza fa very fananana nandritra ny famoahana ireo entana nataon’ireo andian-jatovo nentiny. Tamin’ ny angom-baovao natao izay niaraka tamina porofo mihitsy, dia misy amin’ireo fianakaviana ireo no efa nahavita “borne” sy efa nahazo titra tamin’ny biraon’ny fananan-tany amin’ny taniny ao Tanambao Verrerie ity; isan’izany ny diosezy katolika eto Toamasina izay manana tany ara-dalana sy ara-panjakana mirefy eo amin’ny 2ha eo, izay ny ivon-toerana fanofanana tanora lahy amin’ny asa Tanana manana ny foibeny ao Anjoma no misahana azy. Nefa isan’ny noravana sy navoaka entana izy ireo nandritra izany. Ankoatra izay, dia ilay vatofehizoro ho fanamboarana Lisea sy Ceg ary kaomisarian’ny polisy eo amin’ity tany be ao Tanambao Verrerie nisy ny ZES teo aloha ity, izay ny filoham-pirenena mihitsy no nametraka izany, nandritra ny fitokanana ilay Epp Morderna miorina ao an-toerana, dia nofefen’ity orinasa Filatex ity; nefa tsy misy sahy miteny ny fanjakana fa mitazam-potsiny. Ho hita indray eo izany amin’ity herinandro ity ny tohin’ity raharaha ao Tanambao Verrerie Toamasina ity…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici