Isan’ny nahazo iraka hanampy ireo tafika namany ao Alaotra-Mangoro sy ny faritry Betsiboka mifanila aminy, ireo miaramila avy eo anivon’ny Rezimanta voalohan’ny faritany miaramila faha-3 sy ny Rezimanta ny Jenia avy eto Toamasina. Isany tena hitrangan’ny asan-dahalo ireo kaominina sy fokontany mampisaraka ny faritra Alaotra sy ny faritra Betsiboka; ary raha ny fanazavan’ny lefitry ny ben’ny Tanana ao Ambakireny, Atoa Ikotomandimby, izay kaominina manasaraka ny faritra roa sy ny ao amin’ny tananan’i Bemololo, dia saika omby an-jatony isan-kerinandro no very, izay miteraka faty olona hatrany ny fandalovan’ireo dahalo.
Na namoizana aina miaramila iray sy naharatrana mafy miaramila roa, ny trangam-pana- fihan-dalaho, ny talata 7 aogositra lasa teo; dia nisy ny vokatra azon’ireo andian-tafika avy eto Toamasina nalefa nampandry tany sy hamerina ny filamin’ireo tantsaha amin’ny afitsoky ny asan-dahalo. Raha ny porofo nomen’ny Jeneraly Raveloson Romel komandin’ny faritany miaramila fahatelo eto Toamasina, dia basy mahery vaika fampiasan’ireo dahalo no saron’izy ireo nandritra ny fifampitifirana eo amin’ireo andian-dahalo sy ny miaramila; kalaky telo, “Mas” 36 roa, iray avy ny PA sy ny “Calibre” 12 manana vavany roa ary ny “fusil à pompe”; nisy bala maromaro sy “chargeurs”-na kalaky telo feno bala koa tratra niaraka tamin’izany.
Ny tena nanaitra tamin’izao raharaha basy sy bala tratra izao, dia saika basy fampiasan’ny mpitandro ny filaminana ireo kalaky tratra sy ireo bala (laharana …SF 75 sy …SF 77) fampiasan’ny dahalo. giazana sy tazonina eo anivon’ny magazay fitehirizana fitaovam-piadian’ny 1/RM3 Toamasina ireo bala sy basy tratra ireo ankehitriny. Nandritra izao hetsika ho fampandrian-tany andraisan’ny miaramila avy eto Toamasina amin’ny asan-dahalo izao, dia omby 1.188 no nahazoan’izy ireo fitarainana ny fahaverezany tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ny taona. Tao anatin’izay anefa, dia omby an’arivony no tafaverina tamin’ny tompony.
Malala Didier