- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Lehilahy mpanao vola sandoka nanindrona antsy polisy am-perinasa 

Mahajanga : Lehilahy mpanao vola sandoka nanindrona antsy polisy am-perinasa 

Rehefa avy natolotra ny Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Mahajanga ilay lehilahy mpanao vola sandoka voasambotra, izay nanindrona antsy teo an-tokotanin’ny biraon’ny polisy Antanimasaja, ny polisy iray nisambotra azy ka namparatra mafy an’ity mpitandro filaminana teo amin’ny kibony, ny alakamisy teo, dia nadoboka am-ponja vonjy maika ao Marofoto, omaly. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’ Androva kosa hatramin’ izao ilay polisy naratra, ary efa tsy misy atahorana ny ainy, raha ny nambaran’ny mpitsabo mandray an-tanàna azy.

Raha tsiahivina, dia nahazo antso avy tamina olon-tsotra tsara sitra-po ny mpitandro ny filaminana, fa misy mpanao vola sandoka ao amin’ny fokontany Tsararano. Taorian’izay dia nidina avy hatrany teny an-toerana ny polisy, ka tratra teny ny roalahy niaraka tamin’ny fitaovana fanaovana vola sandoka. Nosamborina ireo olon-dratsy ary nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisin’ny boriborintany fahatelo, nefa raha vao tafidina ny Bajaj nitondrana azy ny jiolahy iray tonga dia nanindrona antsy ny iray tamin’ireo polisy nitondra azy. Nitsoaka nandositra rangahy avy eo, saingy voasambotra ihany rehefa nifanenjehana. Tao anaty sakoroka kosa no tafaporitsaka ny namany, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao, hoy ny polisy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici