- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodifasina Ivato : Lehilahy hita faty, nifatotra tongotra aman-tanana

Ambodifasina Ivato : Lehilahy hita faty, nifatotra tongotra aman-tanana

Ireo ankizy sendra nilalao rano tetsy amin’ny « soute à bombes » tetsy Ivato no nahatsikaritra zavatra hafahafa voahitsak’izy ireo tao anaty rano, ny alahady tolakandro teo. Rehefa nojeren’izy ireo akaiky dia hita fa vatan’olona mifatotra, efa tsy misy aina intsony.

Hatairana tsy misy toa izany ny amin’ireo mponina teny amin’iny faritra Ambodifasina Ivato iny ny alahady teo. Lehilahy tokony ho 40 taona any ho any mantsy no hita faty tao anaty rano. Nampandrenesina avy hatrany teo ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana tamin’ity tranga-javatra tsy nampoizina, nanimba tanteraka ny hafalian’ireo kilonga nilalao rano teny an-toerana. Rehefa nosarihana niala tao anaty rano ny razana dia hita fa voafatotra tanteraka ny tongotra aman-tanany. Nahitàna fatotra ihany koa teo amin’ny tendany niaraka tamina harona plastika. Ary tsy vitan’izay fa mbola nisy « batterie » niara-nifatotra tamin’ilay razana, toy ny hoe tsy natao hanindriana ilay razana tsy hitsingevana. Araka ny angom-baovao azo dia ankevitry ny efa ela ihany ity razana ity no nilona rano tao. Izany hoe mety efe ho ela ihany izy no namoy ny ainy. Efa nahitàna fahasimbana tanteraka mantsy ny razana. Tsy misy hisalasalàna hoy ireo tompon’andraikitra nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana fa novonoina an-kitsirano ity lehilahy ity, ary natao tamin’ny fomba feno habibiana mihitsy. Nezahin’ireo mpamono ho tsy hisy ahitàna ny razana ka io nampiarahana tamin’ny « batterie » io mba tsy hitsengavana mihitsy. Kanjo izao tsy nilaozan’ny marina tsy hipoitra izao. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny mombamomba ity lehilahy hita faty ity. Tsy nahitàna ny mombamomba azy rahateo teny aminy, raha ny fanazavàna azo avy tamin’ireo mpanao fanadihadiana. Mazava ho azy fa tsy fantatra ihany koa izay mety ho nahavanon-doza tamin’izao raharaha vono olona mahatsiravina izao. Efa nisy kosa tetsy an-danin’izay ny fandraisana an-tanan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, tamin’ny alalan’ny fanokafana fanadihadiana mahakasika izany. Ao amin’ny tranom-paty ao Alakamisy moa ny razana no nentina avy eo, hanaovana fitsirihana manokana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici