- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Fikasana hanafika olom-boafidy, tra-tehaka ny basy roa nentin’ireo olon-dratsy

Sambava : Fikasana hanafika olom-boafidy, tra-tehaka ny basy roa nentin’ireo olon-dratsy

Araka ny tati-baovao marim-pototra voaray, dia sarona afak’omaly ny basy roa nentin’ireo jiolahy miisa efatra voalaza fa mpikarama an’ady, izay nikasa hanafika sy nifofo ny ain’ny depiote Mamangy Norbert (Député Jack), ny harivan’ny zoma teo, tao Antohomaro, misy ny trano fonenan’ity olom-boafidy ity. Raha ny fanampim-panazavana azo, dia mbola eo am-panaovana famotorana sy manohy hatrany ny fikarohana an’ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana ankehitriny. Anisan’ny mampirongatra ny fanafihan-jiolahy mitam-basy sy asan-dahalo sesilany any amin’ny distrikan’i Sambava, renivohitry ny faritra Sava, ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana mahery vaika, nanomboka ny fiandohan’ity volana ity, ka miaina ao anaty tebiteby sy horohoro ny vahoaka, indrindra ireo tantsaha mpamboly sy manana lavanila. Raha ny loharanom-baovao marim-pototra voaray avy amin’ny tompon’andraikitra, izay tsy tononina anarana sy andraikitra eto, dia misy sasany amin’ireo mpividy lavanila mahafantatra ny tranon’ireo mpamboly manana lavanila no maniraka olon-dratsy,  vahiny avokoa ny ankamaroan’ireo dahalo mitam-basy manafika. Toy ny tranga ny faran’ny herinandro teo, tao Soavinandriana, basy telo nampiasain’ireo jiolahy nanafika, izay nahaverezana lavanila 25kg. Basy lava iray sy poleta vita gasy no nentin’ireo mpandroba naka lavanila milanja 100 kg, tao Ampohafana, kaominina ambanivohitr’i Marojala, ny asabotsy.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici