- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Tovolahy gadralava tra-tehaka namaky fiara, niharan’ny hatezeram-bahoaka

Toliara : Tovolahy gadralava tra-tehaka namaky fiara, niharan’ny hatezeram-bahoaka

Lehilahy iray sahabo ho 30 taona eo no sarona teo am-pangalarana « auto-radio » tao anaty fiaran’olona, omaly misandratr’andro, tokony tamin’ny folo ora, tao Sanfily Toliara. Tra-tehaka ambodiomby teo am-panaovana ny asa ratsiny ity tovolahy ity, ka tsy afa-nitsoaka intsony. Taitra sy gaga ny tompon’ilay fiara izay avy niantsena nahita olona tsy fantany tao anaty fiarany. Ny teo amin’ny manodidina kosa izay tsy nanam-po na inona na inona nihevitra an’ity mpangalatra ity, fa manamboatra ny simba ao anatin’ ilay fiara nijanona teo amoron-dàlana. Rehefa voasambotra ilay tovolahy ka nosavaina, dia nahitana fanalahidy maromaro isan-karazany tany aminy, raha ny fanazavana azo. Vetivety dia nitangorona ny olona nijery ny zava-misy, anisan’izany ireto mpivady sendra nandalo ka nahafantatra an’ity mpangalatra. Nilaza ireto mpivady, fa rain-dahiny amin’ny halatra sy vaky trano ity tovolahy, ary vao avy nivoaka ny fonja tsy ela akory izy, dia izao tsy mety fay fa mamerina ny asa ratsiny izao indray. Raha vao naheno izany ny sasany tamin’ireo olona vory teo, tonga dia nidaroka sy namono an’ity mpangalatra tra-tehaka, ka naratra mafy nivonto maso sy rapa tarehy ary nivindana vava nitsororoka rà an-korona ity jiolahy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici