- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Zaza sampona tsy misy atidoha, vokatry ny otra sy ny tambavy

Toamasina : Zaza sampona tsy misy atidoha, vokatry ny otra sy ny tambavy

Nahitana tranga tsy fahita loatra eo anivon’ny toeram-piterahan’ny hopitaly oniversiteran’i Toamasina ao Analakininina, fantatry ny maro amin’ilay hoe hopitaly be, no nitranga tao an-toerana ny alakamisy 16 aogositra lasa teo tokony tamin’ny 2ora tolakandro. Zazavavy kely sampona tsy nisy atidoha antsoin’ny mpitsabo hoe “acranie foetale” no teraka tao an-toerana nandritra izany, izany hoe fahasamponana teo amin’ny fiforonan’ny lohany sy ny atidohany no nitranga nandritra izany. Mazava ho azy, fa efa hary avokoa ny ankoatr’ izany tamin’ity zazavavy vao teraka ity. Raha teo amin’ny lanjan’ity zazavavy kely sampona ity anefa dia tena ara-dalàna ary teraka tao anatin’ny fotoana tokony hilatsahany mihitsy izy, satria 3kg sy 500g izy vao teraka ary mbola niaina sy nihetsika izy vao teraka, saingy tsy nisy feo nivoaka noho ny molotra tsy nisy teo aminy. Vao teraka anefa ity zazavavy kely sampona ity, dia efa tsy nanaiky ny handray azy ny ray aman-dreniny. Izy rahateo raha ny nambaran’ny mpitsabo dia tsy haharitra ny fahavelomany noho io tsy fisian’ny atidoha sy molotra eo aminy eo. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo teo anivon’ny hopitaly be,  ny fahasamponana tahaka izao dia mazana vokatry ny fanaovan’ny  reny bevohoka hotra sy fisotroana tambavy be loatra na fihinana fanafody be loatra tsy mandalo mpitsabo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici