Vono olona mahatsiravina no nitranga tao Tamponala, any amin’ny distrika Soavinandriana iny ny alin’ny zoma lasa teo. Tokatranona mpivady iray no notongavana dimy lahy nirongo zava-maranitra tamin’io alina raha mbola sondrian-tory iretsy voalohany. Tsy nisy alaharo alaharo teo fa avy hatrany no notsatohan’ireo olon-dratsy ny lefona ilay rangahy raha nokapain’izy ireo tamin’ny famaky kosa ramatoa vadiny. Vokany, nandriaka ny rà. Maty teo ho no eo ilay raim-pianakaviana, raha naratra mafy vokatry ny kapa famaky nahazo azy kosa ilay vehivavy. Nitsoaka avy hatrany ireo nahavanon-doza raha vao nahavita izany. Ary isan’ny nahagaga ny rehetra dia tsy nitondra na dia tapa-panjaitra akory aza tamin’ireo entana tao an-trano. Raha ny vinavinan’ireo mpanao fanadihadiana dia mety ho ankevitry ny hamono ireo olona ireto mihitsy no tetik’ireo olon-dratsy fa tsy hangalatra akory. Misokatra araka izany ny fanadihadiana ataon’ireo zandary any an-toerana. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy kosa ilay ramatoa rehefa nentina novonjena teny amin’ny toeram-pitsaboana.
m.L