- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Mpamily niara-natory tamin’ny tovovavy, nanjavona ny vola sy ny...

Toliara : Mpamily niara-natory tamin’ny tovovavy, nanjavona ny vola sy ny taratasin’ny fiara

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo, izay mpamily taksiborosy mampitohy an’i Toliara sy Antananarivo no very vola 1,2 tapitrisa Ariary niaraka tamin’ny taratasin’ny fiara rehetra tao anaty « sac » kely nentiny, no nigogogogo nitomany nigagam-bahoaka nivoaka ny efitran-trano fandraisam-bahiny iray natoriany, tao Sanfily Toliara, omaly naraina, tokony tamin’ny enina ora sy sasany. Nihevitra ny olona nahita azy fa nisy maty, kanefa rehefa nitantara ny zava-misy ity raim-pianakaviana niara-natory tamin’ny tovovavy mpandehany ity, izay najavona niaraka tamin’ireo volabe vao maraina, vao akona ny rehetra. Raha ny fantatra, dia raiki-pitia tampoka tamina tovovavy iray mpandehany teny an-dalana ingahy saofera. Tokony niala tao Sakaraha ity « ajampela » voalaza fa tsara tarehy sy bikana ity, saingy nanaiky nanaraka an-drangahy hatrany Toliara. Rehefa tonga tao Toliara, dia naka « chambre » izy roa, ary niara-natory ny alina. Nony naraina ny andro, taitra sy gaga mafy ity mpamily tafafoha tamin’ny torimasony tsy nahita an’ilay tovovavy niara-natory taminy, ary najavona tsy teo amin’ny toerany nisy azy ihany koa ny « sac » kely nisy ny vola sy ny an-tontan-taratasin’ny fiara, ka latsa-nenina nigogogogo nitomany ity raim-pianakaviana ity nivoaka ny trano. Araka ny tati-baovao voaray farany, mbola tsy hita popoka hatramin’izao ny toerana misy an’ilay taranaky Eva sy ireo volabe.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici