“Isan’ny tena manimba betsaka ny asan’ny zandary, ny fahamaroan’ny fisandohana ny anay ity, tsy iray tsy roa, fa efa maro izay tratra izay fa mbola misy ihany mbola sahy manao fisandohana. Ny ataon’ny olombelon’ny zandary amin’ny hadalana aza efa tsy hita ny hanaovana azy, mainka fa mbola ampian’ireto mpisandoka ihany koa izany”, izay no nambaran’ity manamboninahitra zandary iray nilaza ny heviny amin’ny zava-misy iainan’izy ireo sy ny tsiny saika isan’andro azon’izy ireo amin’ny fiarahamonina. Ny zoma lasa teo, nandritra ny fety ben’ny fiangonana Fjkm teto Toamasina izay tena nandraisan’ireo mpitandro ny filaminana anjara andraikitra goavana tamin’ny filaminam-bahoaka sy ny fandaminana ny teny an-dalam-be samihafa, dia nahatratra tovolahy iray antsoina hoe “Joma Léonard” 27 taona nanao fanamiana sy grady ary “badge” zandary ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena manao fisafoana. Noho ny fihetsika nataon’ity tovolahy ity ; izay somary hafahafa no tena nanaitra ny zandary nanontany ny momba azy, ka teo no nivoaka avokoa ny nafenina rehetra. Raha nentina teo anivon’ny sampan’ny zandary misahana ny heloka be vava nijery ny momba azy i “Joma Léonard” dia hita teo avokoa fa hosoka sy sandoka ireo karatra teny aminy, na ny kara-panondrony, na ny karatra voalaza fa maha-zandary azy, ny teo amin’ny fanamiana sy ny marika ny maha-zandary nanaovany kosa dia tena izy sy tena fampiasan’ny zandary am-perinasa. Nanomboka teo ny fanadihadiana rehetra nentin’ny sampan-draharahan’ ny zandary misahana ny heloka be vava misahana azy, koa nandritra ny fisavana ny trano misy an’i “Joma Léonard” dia tratra ihany koa ireo diplaoma oniversitera sy fanamarinana arak’asa hosoka nataony, karatra maha-pitsabo azy noforoniny, ary ireo fanamiana fitondra miady fampiasan’ny zandary sy mpitandro ny filaminana tany aminy. Teo no nahalalan’ny mpanao fanadihadiana azy koa fa manao asa fisolikiana koa ity tovolahy ity, ka ireo mpianatry ny oniversite sy ireo tovolahy te-hiditra ho zandary ary ireo mpiasa mila manatsara vintana no tena lasibatra amin’izany. Niaiky ny heloka nataony ity tovolahy ity, nefa anjaran’ny fitsarana misahana ny raharaha no nandinika ny momba azy, ka nandraisan’izy ireo fepetra ny fiandrasana am-ponja vonjimaika ao Ambalatavoahangy taorian’ny fiakaran’ny raharaha teo anoloan’ny mpitsara.
Malala Didier