- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsoantany : Telo mianaka may vokatry ny hain-trano

Antsoantany : Telo mianaka may vokatry ny hain-trano

Trano iray no kila forehitra tao amin’ny kaominina Antsoantany, may avokoa izy telo mianaka tao amin’ity trano ity. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy, fa ny fahavoazana no be.

Mbola manaraka fitsaboana izy telo mianaka amin’izao fotoana. Ilay rangahy sy  ny vadiny samy may ny tapany ambany sy ny terehiny, ilay zanany kosa ny tanany sy ny tavany no may.

Izy telo mianaka ireo no nifamonjen’ny fokonolona novenjena navoaka ny trano,  vantany vao nahita ny setroka be ny manodidina. Tao Antsoantany no nitrangan’ity hain-trano ity, ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Nambaran’ny ben’ny Tanana, fa tsy fahita firy ny tranga hain-trano ao amin’ny kaominina iadidiany  fa sambany izao no tena nisy goavana toy izao. Raha ny fanazavana dia vokatry ny  herinaratra no nahatonga ny loza. Ankoatra izay, mbola nisy lasantsy tao amin’ilay trano ka nitarika ny fahamaizana be  toy izao. Araky ny fantatra hatrany mantsy, dia nahenoana fipoahana mafy tao amin’ilay trano, narahina lelafo be ka io no tena nahatonga ny afo tsy ho voafehy intsony. Tsy nisy noraisina intsony noho izany entana rehetra fa kilan’ny afo avokoa. Ny fokonolona no nifanampy nanao tsipaipaika namonjena azy telo mianaka.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici