Tokantrano tsotra tsy dia manao ahoana, tsy misy entana loatra fa izay ilaina andavan’andro ihany no mba hany nisy tao aminy. Izany no niharan’ny fanafihana tao amin’ny fokontany Tsaravavaka Andranomanelatra, ny talata lasa teo. Tsy mifidy trano hasiana ireo jiolahy fa hatramin’ireo olon-tsotra dia iharan’ny fanafihana ihany koa. Vilany sy vilia ary finday no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Ny talata tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any no nambaran’ny voatafika fa nidiran’ireo jiolahy tao an-trano. Teo am-baravarana fidirana, tsy dia tsara hidy loatra no nanao amboletra ny enin-dahy rehefa avy nanapitsoka ny hidin-trano. Avy hatrany dia ny vola no notakiany,ny sasany kosa nandraoka izay azo noraofina. Notanterin’ireo jiolahy tsikelikely nivoaka ny entana kely tao an-trano, ankoatra ny finday. Ren’ny tompon-trano fa nisy feom-behivavy tao ivelan’ny trano nanampy ireo jiolahy nanafika. Tokantrano roa no monina tao amin’io trano io ka fantatra fa vola 80 000 ariary no lasan’izy ireo ankoatra ny entana tao an-dakozia. Tsy vitan’izany fa mbola niharan’ny herisetra ny tovovavy iray tao amin’io trano io, nisy tamin’ireo jiolahy no niverina ka nanampatra ny filan-dratsiny tamin’ny tovovavy kely iray. Tsy nijanona teo ny fanafihana araky ny loharanom-baovao, fa mbola notafihan’ireo jiolahy ihany koa ny trano iray teo amin’ny manodidina teo ka mitovy tamin’iretsy voalohany ihany ny entana lasany. Fantatra fa, fito lahy ireo jiolahy miampy vehivavy iray, mahafantatra tsara ny fandaminana eo amin’ny fokontany izy ireo, satria raha ny fanazavana dia manao fiambenana ny vatan-dehilahy ao amin’ny fokontany ka amin’ny telo ora maraina no mody ireo mpiambina, ora izay nisian’ny fanafihana.
Andry N.