- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFialan-tsasatra eto Toamasina : Nametraka paik’ady hiarovana ireo mpiala sasatra ny polisy

Fialan-tsasatra eto Toamasina : Nametraka paik’ady hiarovana ireo mpiala sasatra ny polisy

Isan’ny mbola be misafidy mandritra ny fotoam-pialan-tsasatra tahaka izao i Toamasina noho izy tanan-dehibe akaiky ranomasina raha miala an’Antananarivo, ankoatra ireo manana fianakaviana eto. Efa manomboka tonga tsikelikely ankehitriny ireo mpiala sasatra taorian’ny fetibe taon-jobilin’ny FJKM farany teo, ka nametraka paik’ady vaovao ho fiatrehana izany ny polisim-pirenena eto Toamasina, araka ny baikon’ny tale provinsialin’ny filaminam-bahoaka eto Toamasina. Isan’izany ny fanamaroana ny fivezivezena eran’ny tanana sy ireo faritra efa voasoritry ny mpitandro ny filaminana ho mena, ny fametrahana isan’andro na andro na alina mpitandro filaminana eny amin’ireo faritra be mpiala sasatra sy fitsangantsanganana, isan’izany ny eny amoron-dranomasina sy ny tora-pasika. Ankilan’izany dia nisy ihany koa ny vokatra azon’ny polisim-pirenena eto Toamasina, indrindra tato ho ato izay nirongatra ny fanendahana ka mampitaraina ireo mpiala voly alina. Tratra tao Ambolomadinika ny tovolahy iray nanendaka teratany vahiny avy namonjy alim-padihizana iray volana lasa izay. Tadidin’ilay teratany vahiny vavy nendahany ity tovolahy ity ka tsy afaka nandà ny asa ratsy nataony intsony. Teo koa ireto tovolahy teo am-piketrehana asa fanendahana voasambotra mbola niaraka tamin’ny antsy fampiasan’izy roa lahy entina andrahonana ireo olona endahan’izy ireo, ary ity tovolahy iray hafa efa nokarohin’ny zandary noho ireo fitarainan’ny olona mikasika azy teny amoron-dranomasina amin’ny fanendahana ireo mpitsangantsangana sy ireo mpiala sasatra, mbola maro nandritra ny fisamborana an’ity tovolahy ity ny zavatr’olona nendahiny mbola tratra tany aminy ka ny ankamaroany dia finday avokoa.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici