Rano iray kamiao ihany no niasa tamin’ny famonjena ilay trano lehibe misy rihana roa ; izay nahafaty olona iray ny fahamaizany. Ny olona teo amin’ny manodidina ny nitondra izany fanazavana izany. Tsy ampy ny rano « citerne » iray, satria tena vetivety dia nahazo vahana ny afo ary sarotra ny namehy azy, hoy ireo olona. Ankoatr’izay, tsy nisy namoaka rano nilaina ny fantsona (bouche d’incendie) izay tokony hamatsiana rano hamonoana ny afo. Izany rehetra izany dia lasa nanatara ny famonoana ny afo; izay nitombo nahazo vahana noho ny rivotra. Mbola ireo olona ihany no nitantara ary mihevitra fa tsy tokony nisy ny aina nafoy raha mba nisy ny fitaovana nahafahana namaky ny varavaran-kely, eny fa na dia famaky fotsiny aza. Vokatr’izany rehetra izany, dia nisy ny aina nafoy tao amin’ilay trano lehibe izay misy fianakaviana telo karazany ary potika tsy nisy noraisina koa ny entanba rehetra. Amin’ireo olona, dia tokony hampiana ara-pitaovana ny mpamonjy voina ary koa haverina arahi-maso tsirairay ny “bouche d’incendie” rehetra eto an-drenivohitra. Efa tamin’ny andron’ny vazaha tokoa no nametrahana an’ireo fantsona ireo ary dia tsy nisy mihitsy hatreto ny fikolokoloana sy fanaraha-maso izany. Isaky ny misy ny hain-trano vao samy mikoropaka mamaha sy miandry raha mbola miasa izy ireny. Ny hamisavisana ny ratsy mba hiavian’ny soa, efa hiditra main-tany mantsy izao ary matetika misy hain-trano ao anatin’izany.
D.R