Lamina vaovao sa kolikoly? Misy vola asaina haloan’ny fiara mpitatitra indray isaky ny fiaingana ary mampimenomenona ny mpamily izany. Eo amin’ny fiantsonana dia efa mandeha ny fanangonana ny dimy arivo ariary, ary lazaina fa homena ny mpitandro ny filaminana izay hiaro ny fiara fitaterana eny amin’ny làlam-pirenena. Mitaraina ny mpitatitra, indrindra fa ireo mpamily taxi-brousse, satria amin’izy ireo dia endrika fanamparam-pahefana sy kolikoly ny zava-misy. Ny harivan’ny talata teo, dia mainka koa niakatra ny feo rehefa nisy mpamily nandà ny vola ary noterena hiditra tao anaty fiara miloko fitaratra mainty an’ny mpitandro ny filaminana. Nilaza ireo mpamily namany, fa voakasi-tànana izy io. Raha ny fanazavana avy tamin’ny sampana seraseran’ny mpitandro ny filaminana; izay nanontanianay dia misy tokoa ny lamina izay napetraka, saingy tsy tena mbola mazava ny hoe: iza no omena inona? Tsara ny fepetra izay noraisina fa raha mivadika ho kolikoly kosa, satria tokoa tsy misy ny faktiora izay omena momba io vola voalaza io, dia lasa mitarika korontana tsikelikely indray izany. Ao anatin’ny fotoan’ny fialan-tsasatra rahateo izao ary marobe ny fiara mivezivezy mitatitra olona, tombanana ho enimpolo ka hatramin’ny valopolo isaky ny “caravane” iray. Mila mazava tsara arak’izany ary hampahafantarina ny lamina raha misy tokoa izany, mba tsy ny kolikoly indray no hanjaka kanefa ady amin’ny jiolahy no tanjona.
D.R