
Manao fanamiana miaramila ary manao satroka miaramila miloko mena (béret rouge), fisaloratry ny tafika an-tanety, ny telo tamin’ireo jiolahy nanao fakàna an-keriny tao Maevatanana 2. Nobatain’ireo toy ny omby ilay ramatoa 36 taona, mpandraharaha, ary nentina an-tongotra nizotra mianatsimo atsinanana raha niala teo Ambodimanga-Betsiboka. Ny harivan’iny ihany dia fantatra fa niantso ny vadiny ireo mpanao kidnapping ary nangataka vola mitentina 250 tapitrisa ariary mba ho takalon’ny ain’ilay ramatoa. Omaly dia nandà tanteraka ilay rangahy ny mba tsy hidiran’ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra amin’ity raharaha ity, izany dia mba ho fiarovana ny aim-badiny. Manana aretina “asthme” ilay ramatoa ary izany no isan’ny tena hatahorana raha toa ka maharitra ny fitazoman’ireo jiolahy azy. Niezaka niditra an-tsehatra ihany koa ny prefe tao an-toerana saingy tsy nanaiky hatramin’ny farany ilay rangahy vadin’ny nalaina an-keriny. Dikan’izany dia mizotra any amin’ny fanarahana ny baikon’ireo jiolahy izay efa niantso sy nandrahona ny raharaha ankehitriny. Miisa 12 ireo jiolahy izay nitondra basim-borona dimy. Vao maraina dia efa raikitra ny fitondràna ilay olona nalaina an-keriny niala teo an-tanàna ary dia natao an-tongotra izany. Nandalo teo amin’ny barazin’ny mpitandro ny filaminana teo amin’ny tanàna antsoina hoe Berivotra ireo jiolahy izay nibata ilay ramatoa saingy tsy nisy nanam-po iretsy voalohany satria nanao fanamiana miaramila ireo olon-dratsy. Afaka nandeha fotsiny am-pilaminana araka izany, kanefa dia nobataina toy ny omby ilay ramatoa. Ny azo natao raha vao fantatra fa nisy ny fakàna an-keriny dia ny nanao barazy tetsy sy teroa, isan’izany ny eo Antsarabanjina sy eo Isioka izay heverina fa tokony handalovan’ireo olon-dratsy raha mivezivezy ao an-toerana izy ireo. Tonga tanteraka any ambanivolo ny fakàna an-keriny izay tsy nisy afa-tsy teto an-drenivohitra teto aloha. Lasa hadinodinon’ny dahalo indray ny omby ary manomboka mirona tsikelikely any amin’ity karazana heloka bevava izay vaovao amin’izy ireo ity ireo olon-dratsy any ambanivohitra. Nisy ny baiko ny amin’ny hitifirana avy hatrany ireo mpanao kidnapping ary dia tena nisy tokoa izany tany amin’ny faritra sasantsasany. Mitodika any Maevatanana indray ny maso ankehitriny, rehefa avy any Soalala sy Malaimbady ny amin’ny fomba hamahan’izay mety ho tompon’andraikitra ny olana.
D.R