- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversArivonimamo : Trano dimy nasesin’ny telopolo lahy norobaina

Arivonimamo : Trano dimy nasesin’ny telopolo lahy norobaina

Tao anatin’ny alina iray no nisehoan’izany. Miisa telopolo lahy raha kely indrindra ireo jiolahy izay mitazona basy vita gasy nanao ny fandrobàna. Trano dimy no notafihan’ireo tamin’io fotoana io, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy, tao amin’ny fokontany Morarano, ao Arivonimamo. Lasa avokoa ny vola an-trano, nitentina 1,5 tapitrisa ariary ny fitambarany, ary isan’ny naha-maika koa ireo olon-dratsy ny naka ny finday izay an’ny olona tao an-trano samihafa. Ny anton’izany dia mba tsy hahafan’ireo olona mampandre ny mpitandro ny filaminana. Nandeha ny fikarohana rehetra rehefa nifampiantso ny zandary izay miadidy iny fari-piadidiana iny,  tonga hatramin’ny zandary etsy Vontovorona aza nanao ny fanarahan-dia. Tsy nisy vokany intsony anefa izany satria efa lasa lavitra loatra ireo olon-dratsy. Ny tsikaritra dia ny toerana izay eny amin’ny manodidina an’andrenivohitra indray tato ho ato no tena hataon’ny olon-dratsy lasibatra. Ny akaiky indrindra amin’izany ary tena isan’ny mahita faisana dia Ambohimangakely sy Ambohimanambola. Asesin’izy ireo tanteraka ny tokantrano maro amin’ireo tanàna ireo tato ho ato ary ahiana aza ho andian-jiolahy mitovy ihany no tompon’antoka amin’ny fanafihana. Ny fanaon’ireo mantsy dia saika mitovy hatrany dia ny fanapohana basy izany alohan’ny handrobàna. Mazava hoazy entina hampihorohoroana ny tanàna sy ny tompon-trano hotafihana izany mba tsy hamalian’ireo ny jiolahy. Hatreto dia nahomby hatrany izany asaratsy izany ary mitohy ny fatahoran’ny olona raha vao manomboka maizina ny andro.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici