- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers« Gasikara Antsika Rehetra » : Hitory ny «HCC» tamin’ny fanintsanana ny...

« Gasikara Antsika Rehetra » : Hitory ny «HCC» tamin’ny fanintsanana ny kandidany

“Milaza aminareo aho izao, fa mbola tsy vita ny ady noho ny tsy fanarahan-dalana nataon’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana tamin’ny fanintsanana ny kandidanay; izay nanara-dalana nefa tsy nohajaina ny zonay”. Izay no nambaran’ireo mpikambana eo anivon’ny “Gasikara Antsika Rehetra (GAR)” raha naneho ny heviny izy ireo, ny faran’ny herinandro teo tamin’ny fanilihana ny kandidany Atoa Mahavimbina Alain. Raha ny fanazavana nataon’ireto mpikamban’ny GAR, dia efa vonona ny fitorian’izy ireo ny tsy fanarahan-dalan’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, ka anio alatsinainy raha io fanazavana io ihany no hanatitra izany eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana Ambohidahy izy ireo. Tao anatin’ny fanazavan’Atoa Mahavimbina Alain, kandidà voailika, dia mazava ny voalazan’ny lalam-pifidianana ao anatin’ny fandaminana mikasika ny raharaham-pifidianana; ny voalohany volana aogositra hatramin’ny 21 aogositra ny fametrahana ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidian’ireo kandida vonona ny hifaninana amin’ny fifidianana ny 7 novambra izao. Ny 21 aogositra fotoana farany fandraisana ny antontan-taratasim-pilatsahan-kofidiana hatramin’ny 26 aogositra mandinika sy mitsara ny antontan-taratasin’ireo kandida ny mpitsara eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, ary ny 27 aogositra ny daty voalazan’ny lalana tokony hamohan’ny fitsarana ny antontan-taratasy voarainy. Tsy izay anefa ny zava-nisy, fa ny alin’ny daty farany fanaterana ny antotan-taratasy ihany dia efa namoaka ny fanapahany ireo mpitsara teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalam-panorenana, midika izany hoy ny GAR fa tsy nitsara izy ireo fa nijery fotsiny ireo antontan-taratasy voaray ka nandray fanapahana maimaika noho ny resaka politika “maloto”-ny. Ho hita eo izany ny tohin’ny raharaha milaza ny vonona hiady hatramin’ny farany ny zony ny GAR.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici