Mahazo vahana izay tsy izy tokoa ny resaka tsy fandriam-pahelamana any amin’iny faritra Betsiboka iny. Ankoatra ny resaka fakàna an-keriny sy asan-dahalo dia manjaka ihany koa ny fanakanan-dalana ataon’ireo olon-dratsy. Ny alahady lasa teo dia fiarabe iray indray no lasibatry ny jiolahy mpanakan-dalana, tany amin’iny distrika Tsaratanana iny. Vokany, pôlisy iray no naratra mafy, voatifitry ny jiolahy tamin’izany.
Teo amin’ny toerana antsoina hoe Antsahabe, ao amin’ny fokontany Tanambao, kaominina Bekapaika, no nitrangan’ity fanakanan-dalana ity, ny alahady antoandro lasa teo. Efa malaza ratsy amin’ity resaka fanafihana fiara ity ilay faritra ka izany indrindra no nahatonga ireo pôlisy maromaro nanaraka ity fiara ity. Na izany aza anefa dia mbola sahin’ireo olon-dratsy ihany ny nanakana azy teo amin’io toerana io. Efa nandrasan’izy ireo kendry tohana ny fiavian’ilay fiarabe ka raha vao tonga teo amin’ny faritra nisy azy ireo, dia nirefodrefotra ny basy. Efa nivonona tamin’izany anefa ireo mpitandro filaminana. Hany ka na nisy naman’izy ireo voa aza, dia mbola niady mafy nanohitra ireto fahavalo ireo namany sasany. Iry voalohany moa ilay voan’ny bala teo amin’ny feny. Nanao tari-dositra avy hatrany moa ireto mpanafika rehefa hitan’izy ireo fa tsy resy tosika ireto mpifanandrina aminy. Niala maina tsy nahazo nainona na inona. Ny varavarana alohan’ilay fiara fotsiny no rotiky ny bala tanteraka. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Tonga avy hatrany namonjy tany an-toerana ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny polisim-pirenena nampian’ny zandarimariam-pirenana, niaraka tamin’ny mpitsabo. Mbola mandeha moa amin’izao ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Ilay naratra kosa efa tsy misy atahorana intsony ny ainy, ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy tamin’izany.
m.L