
Tokantrano iray izay sady fanaovana ireny « multi-services » ireny no nisy nidiran’ny mpamono olona an-tsokosoko. Hatreto dia ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy no heverina ho nisehoan’ity vonoan’olona ity. « Tsy nisy vaky ny varavarana rehetra ary efa nisokatra ny iray tamin’ireo tamin’ny fotoana nandalovan’ny mpanao fanadihadiana », raha araka ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Tsy nisokatra toy ny mahazatra ilay toerana raha tokony ho manodidina ny amin’ny valo ora maraina ny fisokafan’izany. Tovolahy iray izay miasa eo anivony no nahatsikaritra ary izy ihany koa no nahita ny faty efa mitsirara etsy sy eroa raha niditra tao an-trano. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary izay tsy mifanalavitra teo rahateo no misy ny biraony. Tsikaritra ary tao anatin’ny trano fa olona telo no indray maty ary mihosin-drà tanteraka. Ny raim-pianakaviana sy ny vadiny izay samy manodidina ny 30 taona avy, ary koa ny zanany vavikely vao dimy taona, no indray hita faty. Raha araka ny fanampim-panazavana azo dia mbola naolana ihany koa ny renim-pianakaviana. Habibiana tsy roa aman-tany araka izany no nitranga. Tsatoka antsy avokoa no namonoana azy ireo. Very tao an-trano ny solosaina « portable », ny bisikileta iray, ny fahitalavitra fisaka ary koa ny vata fitoeram-bola, raha araka ny filazan’ny mpitandro ny filaminana. Ny manodidina dia tsy nisy nahatsikaritra ity vonoan’olona ity ary nilaza fa tsy nisy naheno hiaka na antso vonjy mihitsy. Ny zandary rahateo tsy mifanalavitra eo ny biraon’izy ireo ary tsy nisy nampandre sy tsy naheno zavatra hafahafa nandritra iny alin’ny alahady hifoha alatsinainy iny. Tsy voafaritra mazava araka izany hatreto izay tena lera nisehoan’ny vonoan’olona, satria efa maraina avokoa vao samy nahita ny rehetra. Matetika rehefa tsy misy ny vaky trano dia olona mety efa mifankahafantatra amin’izay natao lasibatra ihany no tompon’antoka. Olona dimy izany no matin’ny jiolahy teto an-drenivohitra sy ny manodidina tamin’ny fotoana mitovy. Sao lahy mba tafahoatra lahy ? Habibiana tsy roa aman-tany, araka ny fitenenana, no nitranga. Saingy raha ireto tranga roa samihafa ireto fotsiny dia efa roa aman-tany no nitranga tao anatin’ny fotoana mitovy. Tafahoatra loatra ny heloka bevava izay mitranga ankehitriny…
D.R