Tsy nisy noraisina intsony fa lasa lavenona avokoa ny fananana nohariana an-taonany maro niampy ny biby fiompy sy ny entam-barotra rehetra. Tokantrano miisa 5 no lasa traboina tampoka vokatry ny haintrano niseho omaly alina. Tao Mahazoarivo avaratra no nisehoan’ny loza omaly tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Tsy nisy nahalala izay mety niavian’ny afo fa araka ny fitantaran’ny iray tamin’ireo niharam-boina dia afo avy ety ivelan’ny trano no nitaraika ny fahamaizana. Tokantrano iray tamin’izy ireo avy namonjy mariazy no voalaza fa be vahiny ka ireto farany no taitra voalohany raha nahita ny firedaredan’ny afo teny ivelan’ny trano. Tsy nisy azo natao anefa fa vetivety dia nitatra ny afo ka tsy voafehy intsony, trano hazo avokoa rahateo ny manodidina rehetra. Fantatra fa mpivarotra avokoa ireo tokantrano dimy ireo, ao ny mpivarotra arina fandrehitra, hani-masaka, kafé sy mofo ary nisy garazy iray. Fiara iray 505 tao amin’ity farany no may kila tanteraka fa ny sasany kosa tafavoaka ihany. Fantatra fa kisoa fiompy miisa 5 ihany koa no maty kilan’ny afo. Ny fokonolona teo amin’ny manodidina no nifamonjy namono ny afo mba tsy hitaran’izany, nampiasa ireo fitaovana kely teo an-tanany. Tonga teny an-toerana ihany ny fiara mpampono afo an’ny groupe Socota, hany tokana eto Antsirabe, saingy tsy nahavita ny asany akory, voatery nitsoaka nandositra fa voatora-bato noho ny hatezaran’ny olona tamin’ny fahatarany. Ny tanan’Antsirabe rahateo hatramin’izao tsy mbola manana fiara mpamonjy voina na dia tanana lehibe faharoa eto amin’ny Nosy aza. Zary lasa kobaka am-bava ny filazanan’ny fiadidiana ny tanana fa efa ho avy ny fiara be mpamonjy voina an-taonany izay fa hatramin’izao dia tsy hita taratra akory izany. Niaiky rahateo ny ben’ny tanana ary nifona teo imasaom-bahoaka raha nijery ireo traboina fa tsy tanteraka ny fampanantenany nilaza fa ho avy ilay fiara mpamonjy voina. Nambarany anefa fa ho avy amin’ity herinandro ity io fiara io ka hiaraha-mahita eo indray izany.
Andry N.