Tranga tsy dia fahita firy tany amin’iny faritra Anjozorobe iny no niseho ny alatsinainy maraina lasa teo. Telolahy, efa tsy nisy aina intsony no hitan’ny fokonolona, nitsirara teo ambodi-kininana. Samy nahitàna diana bala avokoa tamin’izy ireo.
Isan’ny azo lazaina fa faritra mena anjakan’ny resaka tsy fandriampahelamana raha iny tapany avaratr’Antananarivo iny, tato ho ato izay. Saika efa miaina anaty tebiteby tanteraka ireo mponina, indrindra fa any amin’ireo faritra somary mihataka sy ambanivohitra. Azo lazaina fa efa lasa sakafon’izy ireo isan’andro ny resaka asan-dahalo. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia habibiana hafa indray no niseho tsy lavitra loatra ny tampon-tananan’Anjozorobe. Razana telo, feno ratra no nialokaloka tao ambany kininina, miala kely ny lalana mizotra mankany amin’ny kaominina Analaroa, tao amin’ny fokontany Ambohibeloma, tsy lavitra ny tanan’i Tsarahonenana.
Tsy misy mahafantatra ireto lehilahy hita faty ireto ny mponina teny an-toerana. Izy ireo rahateo tsy olona avy amin’ireo faritra manodidina raha ny fampitam-baovao azo fa olona sendra nandalo angamba. Tetsy andanin’izay, tsy nahitàna taratasy milaza ny mombamomba azy ireo tany aminy na tamin’ireo entana niparitaka tsy lavitra ny vatana mangatsiakan’ireto olona ireto. Raha ny angom-baovao natao tetsy sy teroa dia milaza fa hoe any amin’izany tanan’Ambohimandroso izany, izay tokony ho am-polony kilaometatra maro mianavaratra, miala eo amin’ilay toerana nahitana ny fatin’izy ireo, no monina ny sasany amin’ireto olona hita faty ireto. Ny iray tamin’izy ireo aza, raha ny siosion-dresaka ihany koa dia voalaza fa isan’ny olona karohina noho ny antony tsy fantatra.
Olona sendra nandalo tamin’izany lalana izany no nahita azy ireto voalohany indrindra ka nampandre haingana ireo tompon’andraikitra teo an-toerana. Azo lazaina fa vono olona niniana natao ity nitranga ity hoy ny vaovao. Miendrika boribory toy ireny diana bala ireny mantsy ireo ratra hita tamin’izy ireo, izay inoana fa nitarika ny fahafatesany. Toa hoe notifirina akaiky dia akaiky ireny ary tsy navela raha tsy namoy ny ainy. Mbola tsy fantatra kosa anefa hatreto na teo izy ireo no novonoina na tany ambadika tany ary teo amin’io toerana io no natsipy nony avy eo. Ny anton’ny famonoana sy izay nahavita izao moa dia miandry tanteraka ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana, izay tonga avy hatrany teny an-toerana.
m.L