- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFanadiovan-drano « Purific » : Ho fanomezana rano ara-pahasalamana ny vahoaka malagasy

Fanadiovan-drano « Purific » : Ho fanomezana rano ara-pahasalamana ny vahoaka malagasy

Nanazava ny mikasika ilay fanadiovan-drano vaovao antsoina hoe “Purific” tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Splendide” Ambalamanasy Atoa Willie De Klerk, zafikelin’ny filoha afrikana tatsimo teo aloha Frederik De Klerk. Nandritra ny niasany teto Toamasina nandritra ny 14 taona tamin’ny fanorenana ny orinasa Ambatovy amin’ny maha-injeniera momba ny herinaratra azy, izay nohararaotiny nitsidihana an’i Madagasikara, no nahatsapany fa tena olana goavana eto amintsika ny resaka rano fisotro madio ampiasain’ny isan-tokantrano amin’ny filany andavanandro. Taorian’ny fiverenany tany Afrika Atsimo dia nitady hevitra niaraka tamin’ireo injeniera namany Ingahy Willie De Klerk ka nahita ity “Purific” ity izay ezahiny haparitaka manerana ny nosy ho fanomezan-drano ara-pahasalamana ho an’ny Malagasy. Fonosana kely 04g izy ity nefa afaka manadio rano ara-pahasalamana mifatra 25 litatra, nefa mora satria tsy natao hakana tombony ilay izy fa tena fanampiana ara-tsosialy tsotra izao ny Malagasy. Manomboka ny 19 septambra izao no ho tonga eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity fomba fanadiovan-drano ara-pahasalamana ity ary ezahina haparitaka eran’ny Nosy amin’ny fiaraha-miasany amin’ireo fikambanana samihafa, sy ireo sehatra tsy miankina ihany koa ary ireo mpaninjara samihafa, indrindra ny eny ambanivohitra eto amintsika. Ankoatra izay dia ny volana desambra izao no tena hipetraka eto Madagasikara ka nisafidy ny kaominina manompana Ingahy Willie De Klerk, izay nofidiany ho toerana handevenana azy ihany amin’ny fotoana mety hahafatesany, araka ny faniriany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici