Leom-boan’anana amin’ny firongatry ny halatra osy sy ondry any amin’ny faritra Androy ny mponina, ka izay olon-dratsy tratra, raha ny fanazavana azo, dia iharan’ny hatezeram-bahoaka avokoa mba ho anatra ho any hafa. Afak’omaly, tany Anjampaly, distrikan’i Tsihombe, dia roalahy tratra ambodiomby nangalatra osy niisa 12 no naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka, ary saika nodoran’olona velona avy eo. Nandrara izany fomba mamohetra izany anefa ny tompon’ireo biby fiompy. Araka ny tati-baovao voaray, dia teo am-pamoahana an’ireo osy tao am-bala, ny naraimben’ny talata teo, tokony ho tamin’ny dimy ora izy roalahy no tra-tehaka, tafaporitsaka kosa ny naman’izy ireo fahatelo, izay mbola karohina fatratra hatramin’izao. Rehefa voafatotra tongotra aman-tanana tsy afa-nanohitra intsony ireo dahalo, dia raikitra avy hatrany ny vono sy daroka nataon’ny fokonolona an’ireo mpangalatra voasambotra. Tezitra mafy ny zanaka lahimatoan’ny tompon’osy raha nahita fa mponina eo an-tanàna ihany ny jiolahy iray, ka naka antsibe ary nanapaka ny tanana havanan’ ilay dahalo.
Eric Manitrisa