- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Tra-tehaka nihanika « poteau », saika hangalatra « panneau »

Fenoarivo : Tra-tehaka nihanika « poteau », saika hangalatra « panneau »

Hafa indray koa ! Efa mahazaka maniraka tokoa ny tsy fahampiana amin’izao fotoana izao, hany ka lasa manaotao foana avokoa ny olona. Lehilahy iray no nampidirina am-ponja indray, noho ny fangalarana ireny « panneau solaire » amin’ny andrin-jiro ireny, tetsy amin’ny lalana digue, RN1, teo anelanelan’i Malaza Ampitatafika sy Fenoarivo. Ny voalohandohan’ny herinandro teo ranamana no tra-tehaky ny zandary manao fisafoana tamin’iny làlana iny, raha teo am-pihanihana ilay andrin-jiro mihitsy, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany. Noraisim-potsiny tamin’izany izy ary rehefa nanontaniana dia nilaza tokoa fa saika hangalatra ireo vatoaratra ireo. Araka ny famotorana nataon’ireo mpisambotra dia efa mpamerin-keloka amin’io asa ratsiny io ity lehilahy ity, izay monina any Avaradrano ary manao ny asa ratsiny any Atsimondrano. Vao iray volana lasa mantsy ranamana no nivoaka ny fonja, noho izay halatra sy fanimbana fananam-bahoaka izay ihany, dia izao tratra am-bodi-« poteau » izao. Ny alarobia teo moa izy no natolotra ny fampanoavana ary dia naverina am-ponja indray aloha, mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici