- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversVonoan’olona Imerintsiatosika : Nohalavaina ny fitazoamana ireo olona telo

Vonoan’olona Imerintsiatosika : Nohalavaina ny fitazoamana ireo olona telo

Tsy mbola natolotra ny fampanoavana aloha omaly ary tsy mbola ato ho ato, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny zandary, no hotontosaina izany. Midika izany fa mbola tazomina ao amin’ny biraon’izy ireo ary tohizana ny fanadihadiana ireo olona telo izay voarohirohy ho namono sy nanolana na nandray anjara tamin’izany. Efa tokony ho nivoaka koa ny valin’ny fitiliana rà sy ranon’aina avy amin’ny fampiasana teknolojia omaly saingy mbola notazomina ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana aloha izany. Tsy misy afa-tsy ny lehiben’ny mpanao fanadihadiana ihany rahateo no afaka manokatra ny valin’izany raha ny tokony hoizy. Miankina betsaka amin’io ny porofo izay hanohizana ny fitazomana na tsia ireo telo lahy izay nosamborina. Na izany aza ny fisian’ny akanjo mihoson-drà tao amin’ny tranon’ny iray tamin’izy ireo dia efa porofo lehibe amin’ny fahafantarana ny tompon’antoka amin’ity heloka bevava izay nanohina tanteraka ny mpanara-baovao ity. Isan’ny vaovao mba nampitsiky kely ny olona omaly ny fandrenesana fa mety hisy olona, malagasy avy any ivelany, izay handray an-tànana ny fitohizan’ny fiainan’ilay zazalahikely, akanga sisa nanamborana. Io zaza io dia nipetraka any amin’ny renibeny aloha hatreto, raha araka ny fantatra. Raha hiverenana dia sendra izy tsy tao an-trano fa naka rivotra tany amin’io bebeny io no nitranga ilay heloka bevava. Raha tsy izany dia asa angamba izay nanaovan’ireo mpamono olona azy. Raha ny fijerin’ny zandary dia tsy ho vitan’ny olona iray irery ity heloka bevava ity. Tsy olona iray no hahavita hanolana, hamono olona telo, raha ny fanazavan’izy ireo. Torak’izany koa, tsy voatery ho olona hafa no nanatontosa izao fa olona mahafantatra ihany. Ny nahatafidiran’ireo tao an-trano kanefa tsy nisy varavarana nopoirina dia midika fa mety ho nanana fanalahidy ireo na koa olom-pantatra dia novohaina. Voatery notazomina any ivelan’Imerintsiatosika izy ireo mba hialàna amin’izay mety ho fitsaram-bahoaka satria sosotra loatra ny olona manoloana ny zava-nitranga.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici