Nampangain’ny toaka nosotroiny ireo efa-dahy sarona tetsy Andravoahangy, rehefa nanakorontana tao amin’ity trano fisotroana iray teny an-toerana. Tamin’ny fanadihadiana mantsy dia fantatra fa hay mpangalatra môtô rain-dahiny efa fanta-daza eny amin’iny faritra izy ireo.
Ao anatin’ny hetsika hampandriana fahalemana ny eto an-drenivohitra ny pôlisim-pirenena amin’izao ary tsy mitsitsy sy miezaka manao hazalambo ireo tontakely. Anisan’ny tsy mikely soroka amin’izany ireo pôlisy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro. Ny alarobia lasa teo dia mpangalatra môtô efa-dahy indray no sarona. Tao anaty trano fisotroana izy ireo ary nanakorontana tao amin’io toerana io rehefa mamomamo. Niantso pôlisy avy hatrany ny tompon’ny fivarotana ka nosamborina izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana natao azy ireo sy ny fisavàna no nahitàna lakile “passe-partout” ny iray tamin’izy ireo. Rehefa nohalalinina ny famotorana dia fantatra fa saika handeha hangalarana môtô izy ireo. Tsy vitan’izany hoy ireo mpanao fanadihadiana fa efa fantatr’olona eny an-toerana izy ireo amin’ity resaka halatra môtô ity. Nampidirina am-ponja vonjimaika moa izy ireo, miandry ny fotoam-pitsaràna azy, taorian’ny fanolorana azy ireo teny anivon’ny Fampanoavana teny Anosy.
m.L