Ela ny ela tra-tehek’ireo polisim-pirenena indray i Rocky, na i Dadafara. Tovolahy vao 23 taona monja, monina eny Manjarisoa, nefa dia efa nigadra lava ary izao mbola mamerin-keloka izao indray. Iray tamin’ireo jiolahy nanao ilay fanafihana tao amin’ny fokontany Ambalavola farany teo iny izy. Vola fito hetsy no namonoana olona miisa roa be izao.
Raha tsiahivina dia ny alin’ny zoma 24 aogositra teo no niseho io tranga io. Tovolahy 4 nirongo basy izy ireo no nandrahona mpivarotra enta-madinika iray. Lasan’izy ireo ny vola, voatifitra niaraka tamin’izay teo amin’ny masony koa ny zanak’ilay mpivarotra raha iny izy nivoka handeha hijery ny zava-misy iny. Voatifitra teo amin’ny kibony koa ny na naman’ilay mpiambina raha vao nikasa hiditra tao an-trano. Ity farany moa izay voatifitra teo amin’ny kibony ka maty tsy tra-drano.
Miantso ny fiaraha-mientan’ireo vahoaka rehetra ireo polisim-pirenena amin’ny fanomezam-baovao. Telo amin’ireo jiolahy mantsy no mbola miriaria any amin’izao fotoana. Mbola any ihany koa ilay basy nanaovana fanafihana. Raha misy ireo mampiahiahy na loharanom-baovao azo ampitaina dia ireto ny laharana antsoina : 034.09.553.72 / 032.98.888.57
Tanàna mahay mandray vahiny sy milamina no nampalaza an’i Mahajanga hatramin’izay. Ankehitriny anefa, noho ny fisin’ireo jiolahy manakorontana mirongo basy etsy sy eroa ireo, dia mandry tsy lavo loha ny ankamaroan’ny mponina. Mila mitandrina na aiza na iza aleha, indrindra amin’ny toerana mangingina sy maizimaizina.
Amin’izao fotoana moa mbola ao anatin’ny fikarohana ireo andiana jiolahy tsy hita ireo ny mpitandro ny filaminana eto an-toerana. Ezahina, hoy izy, ny hamongotra sy hisambotra ireo mpanao ratsy eto amin’ity tanàna ity. Mitaky fiaraha-miasa amin’ny rehetra anefa izany amin’ny fizaram-baovao fa indrindra ny amin’ireo zava-misy eny amin’ny fiaraha-monina eny. Omaly alakamisy ihany moa dia natolotra ny fampanoavana i Rocky na i Dadafara.
Tantely Vandriam