# Andoharanofotsy. Rangahy 80 taona voafaokan’ny fiara. Teo amin’ny tanàna iray antsoiana hoe Hazomaty RN7 (PK12+600), nivaoka avy ao amin’ny elakelan-trano mihazo ny arabe ity rangahy no voarain’ny ridelle ana fiara, ka avy hatrany dia nipitika tany anaty tatatra ary naratrta mafy. Avy hatrany dia nentina notsaboina tany amin’ny HJRA.
# Ambohimanambola. Olona 5 voapoizin’ny menaka. Olona miisa dimy ao anatin’ny fianakaviana iray no fantatra fa voapoizin’ny menaka, teny Ambohimanambola, tamin’ny talata teo. Ny vaovoa no nahafantarana fa menaka mandry no nampiasainy. Malemilemy ary tsy afaka mitsangana izay voa. Zaza 8 taona sy efa tovolahy 19 sy 20 taona no tena voa mafy.
# Sarety entin-tanana. Loza nifanesisesy. Tao anatin’ny andro vitsy izay, nisehoana lozana tamin’ireny sarety taritin’olona ireny. Teny Andavamamba, lehilahy 52 taona no tapaka tongotra. Nidona tamina kodiarana fiara ny sarety nentiny ary dia tsy voafehany ny “brancard”. Teny Malaza Ampitatafika, sarety nitondra labiera no niharan-doza. Voalaza fa nisy olona iray namoy ny ainy.
nangonin’i Alem/ r.s.