Tena fahasahiana goavana ny an’ity mpikirakira tamban-jotra facebook iray, ny herinandro nivalona iny. Sahiny nosandohana hatramin’ny kardinalin’i Madagasikara SE Tsarahazana Désiré ho fitadiavam-bola mihitsy ka namoronany kaonty manokana misy ny sarin’ity kardinaly ity mihitsy. Samy gaga sy taitra ny mpino katolika sy ny mpino hafa ary ny vahoaka malagasy, satria raha ny zava-nisy tao an’ity kaonty facebook dia fangataham-bola noho resaka fiahiana toerana fitaizana zaza kamboty no nanaovany izao « heloka be vava » maniratsira olona ambony eo anivon’ny finoana katolika izao. Vokatr‘izany dia namoaka fanambarana hentitra ny mompera Adoré misahana ny serasera eo anivon’ny arsidiosezin’i Toamasina, fa « Ny Kardinaly Désiré Tsarahazana dia tsy manao facebook ary tsy manana kaonty facebook ; koa mampitandrina an’izay olona mampiasa ny anarany na ny sariny na mitonona ho izy any amin’ny tambazotra sosialy rehetra ka mampiasa ny anarany mba hamitahana ny mpiara-belona. Entanina koa isika mba samy hitandrina sy ho mailo manoloana an’ireo tsy kely làlana! Reseo amin’ny soa ny ratsy ». Hatreto kosa dia tsy nilaza ny hitory amin’izao fanivaivana sy fanimbazimbana ataon’olona amin’ny kardinaly izao ny katolika; izay isan’ny voatohintohina ihany koa tamin’ity resaka “fako news” amin’ny facebook ity maniratsira ny kardinalin’i Madagasikara SE Tsarahazana Désiré ity.
Malala Didier