Ny alin’ny talata hifoha alarobia tamin’ny 3 ora, nokapain’ny dadatoany tamin’ny famaky ny lohan’ity tovolahy iray. Naratra mafy tokoa ny anao lahy ary tsy maintsy nentina notsaboina eny amin’ny hopitaly. Mbola eny moa izy amin’izay fotoana izao noho io ratra nahazo azy io. Soa ihany fa tsy nahafaty azy ilay ratra. Io alina io, avy nandeha niandry faty izy mianaka, hoy ny vaovoa voaray. Teny an-dalana hody anefa, nisy fifamaliana teo amin’izy ireo. Izay antony tsy fantatra mazava. Tsy nifarana mihitsy izany na dia efa tany an-trano aza. Tamin’izay fotoana izay no namelezan’ilay dadatao an’ilay tovolahy. Nisy nahita ny fandehan-javatra ka ny nahamaika dia ny nitondra an’ilay naratra tany amin’ny hopitaly. Ny voavoa hatrany no nahafantarana fa ilay razana niaretan-tory dia olona nisy namono ihany koa.
r.s.