Notontosaina ny asabotsy lasa teo ny fanoloran’ny zandary tamin’ny fampanoavana etsy Anosy ireo olona fito izay nanaovan’ny zandary fanadihadiana. Lehilahy roa no nidoboka am-ponja raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny dimy. Ireo miandry ny fitsaràna azy eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy dia voalaza fa nisy porofo tokoa sarona tany aminy. Heverina ho ireo akanjo mihosin-drà nandritry ny fisavàna nataon’ny zandary tao an-tranony izany. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny momba ny valin’ny fitiliana ny AND; izay natao raha namokatra ka nahafahana nitazona ireo olona. Tsy afa-bela izy ireo tamin’ity raharaha ity noho ilay porofo voalohany; izay heverina ho mitohoka amin’ny tenda, raha ny fanazavan’ny zandary. Manana fidiram-bola roa karazana izy mivady, dia ny fitazonana cybercafé izany. Tsy iza ireo fa tena naman’ilay raim-pianakaviana akaiky ary mahafantatra tsara ny fiainan’izy mivady. Ny ambiny indray dia natao fanadihadiana satria nahiana ho misy hifandraisany an-kolaka tamin’ny vono olona. Avy amin’ny zandary hatrany no nahazoana ny fanazavana fa tsy midika akory hoe rehefa tsy midoboka am-ponja ireo dia mijanona hatreo ny mety ho fanadihadiana ireo olona. Ireo olona dimy ireo dia mahafantatra tsara azy mivady koa ary misy ny ananany vola, misy koa ny efa nifamaly tamin’izy roa ary amin’ny ankapobeny, dia efa nifanerasera matetika tamin’ilay fianakaviana niharan’ny hetraketraka. Mila mizotra mankany amin’ny fikirakirana teknolojia amin’izay ny fanadihadiana eto amintsika, indrindra amin’ny resaka heloka bevava. Tsy misy afa-tsy izany intsony no hahafahana mamantatra faran’izay haingana sy tsy misy ahiahy ny olon-dratsy. Hatreto anefa, dia tsy misy ezaka ho amin’izany mihitsy avy amin’ny fitondràna izay nifanesy. Na ny kandidà izay hirotsaka aza toa tsy misy manana laharam-pahamehana mivaingana amin’ny ady amin’ny heloka bevava. Vokatr’izany dia lasa mora ho an’ny olon-dratsy ny manatontosa vono olona sy fanafihana.
D.R