- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversHain-trano tetsy Anosibe : Vehivavy iray namoy ny ainy, olona 274 tsy manan-kialofana

Hain-trano tetsy Anosibe : Vehivavy iray namoy ny ainy, olona 274 tsy manan-kialofana

Namoizana ain’olona sy naharatrana olona iray ilay hain-trano mahatsiravina nitranga tetsy Anosibe ny harivan’ny zoma lasa teo. An-jatony kosa ireo olona tsy manan-kialofana intsony.

Naharitra ora maro tokoa ny fifehezana ny afo tetsy Anosibe « ziona », ny hariva ny zoma lasa teo. Ary na dia efa maty tanteraka aza izany, dia mbola niverina teny an-toerana niezaka nanao izay tokony ho natao, hiarovana ireo niharam-boina ny amin’ny izay mety ho loza hafa hitranga indray ireo ekipan’ny mpamonjy voina tetsy Tsaralalàna, ny sabotsy maraina lasa teo. « Nisy tamin’ireo trano biriky may, izay tsy nisy afa-tsy rindrina sisa no tafajoro teo no tsy maintsy narodana fa sao hitera-doza » hoy ny fanazavana azo. Tamin’io maraina ihany koa vao fantatra mazava ny tena isa marina tamin’ireo trano am-polony maro nirehitra tamin’io hariva io. Mbola nifanjevo tamin’ny famonoana sy fifehezana izany avokoa mantsy ny rehetra tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.

Araka ny tati-baovao azo ary, dia fantatra fa vehivavy lehibe iray no namoy ny ainy tao anatin’ilay hain-trano. Somary tsy dia salama saina loatra izy ireo raha ny loharanom-baovao azo ka tsy afa-nitsoaka sy voafandrika tao anatin’ny lelafo tao. Olona iray ihany koa no naratra mafy tao anatin’ny fitsoahana sy famonjena aina. Tetsy andanin’izay kosa raha ny vaovao hatrany, dia efa hita ireo ankizy, izay voalaza teny an-toerana fa mbola tavela tao anatin’ilay hain-trano mahatsiravina. Samy nitsoaka nanavotr’aina tamin’izay nalehany izy ireo ka nifanena tamin’ireo fianakaviany ihany ora maromaro taty aoriana. Fa ankoatr’izay, dia fantatra fa goavana ny fahavoazana tamin’iny hain-trano iny. Nahatratra 32 ireo trano may kila forehitra, niaraka tamin’ny entana tao anatiny. 24 tamin’ireo no trano hazo ary 8 no trano biriky. Fianakaviana 56 no nonina tao anatin’ireo trano may ireo. Misy 274 araka izany ireo fianakaviana tsy manan-kialofana. Efa nisy moa ny filatsahan’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana nijery ifotony ity fahavoazana ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici