Ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo no nitranga ny fanafihan-jiolahy. Nihorohoro Alasora satria fokontany maromaro no notetezin’izy ireo nanaovana ny asaratsiny. Nilaharana ny nanatitra ny taratasy fitoriana teny anivon’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ny marainan’ny asabotsy ary rehefa nifampitantara ny zava-nanjo ireo olona, dia teo vao fantatra fa fokontany telo raha kely indrindra no notetezin’ireo olon-dratsy tao anatin’ny alina iray. Isan’izany Imendrikolovaina ary tao dia nisy olona natao takalonaina. Ny antony dia satria nisy polisy manana basy no mipetraka teo akaiky ary ny rafozany no voatafika. Rehefa saika hiditra an-tsehatra izy hanavotra dia nataon’ireo jiolahy takalonaina ny iray tamin’ny tao an-trano. Tsy nisy azo natao ankoatry ny nanaraka ny baikon’ireo olon-dratsy sisa. Tao amin’ny fokontany hafa dia lasa ny vola sy ny finday ary ny kojakoja mora nobataina rehefa norahonana tamin’ny basy ny olona tao amin’ny trano notafihana. Nofatorana ny vatan-dehilahy sasany mba hanamorana ny fanafihana. Ary dia nanao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Mitaraina ny olona, satria anarany ny mba feno minisitra ary indrindra koa miandraikitra ny fitandroana ny filaminana, any amin’ny kaominina iny kanefa dia isan’ny faritra mena amin’ny asan-jiolahy ankehitriny. Mitondra kalachnikov ireo jiolahy, izay no voamariky ny olona ary tamin’ny toerana sasany dia tsy nisalasala izy ireo ny nanapoaka an’izany mba hampihorohoroana izay hotafihana. Tsy Alasora ihany, fa ny tanàna mivoaka kely an’Andrenivohitra no tena isan’ny mahita faisana ankehitriny. Imerimanjaka, Ambohimanambola, Ambohimangakely, ireo tanàna ireo dia saika efa isan’alina ankehitriny no ahenoana fanafihana.
D.R