- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Teratany afrikanina mpamatsy hôtely amin’ny « cocaïne »

Ivandry : Teratany afrikanina mpamatsy hôtely amin’ny « cocaïne »

Efa miparitaka tanteraka eto amintsika ireo tambajotra mpivarotra rongony mavesatra. Lafo dia lafo ny vidin’ny iray grama amin’izy ireny, hany ka ireo olona manana fahefana amin’izany ihany no afaka manjifa itony karazana rongony, fantatry ny maro amin’ny endriny toy ny vovoka fotsifotsy itony.

Amin’izay lafiny izay indrindra, dia nisy vaovao tonga teny am-poto-tsofin’ireo pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, fa teratany vahiny no ao ambadiky ny fanapariahana io rongony io. Arak’izany teratany afrikanina iray no voasambotra teny amin’ny tranony teny Ivandry, ny faramparan’ny volana aogositra lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo, dia ity farany no fantatra fa « nivarotra izany « drogue » izany tamina hotely lehibe teto Andrenivohitra ». Napetraka ny fandrika, izay mody nolazaina fa hisy olona hividy etsy Ankorondrano. Tonga tamin’ny fotoana nifanarahana tokoa ity vahiny 41 taona ity ary noraisim-potsiny. Mbola nahatrarana fonosana vovoka « cocaine » sy « heroine » am-polony tany anaty paosiny. Teo  no ho eo ihany koa dia nasaina nentina tany an-tranony ireo mpanao fanadihadiana. Mbola nisy namany tany an-tranony io, araka ny filazany ary mbola misy rongony mahery vaika maromaro. Raha vao nahatazana ireo mpitandro filaminana anefa io namany io, dia nitsoaka niaraka tamin’ireo « entana ». Nisy ny fanenjehana izay niarahana tamin’ny fokonolona, saingy tafaporitsaka ihany ity farany. Ambina « entana » sisa araka izany no hita tao : « boulette de cocaine » miisa roa, milanja eo amin’ny 20 grama, « methamphetamine » 26 fonosana, ary vovoka « lactose » fanapohana ireo rongony milanja 30 grama ary fitaovana maro samihafa fikirakirana izany rongony mahery vaika izany. Araka ny fantatra ihany koa, dia manodidina eo amin’ny iray hetsy ariary eo no fivarotany ny iray grama amin’ireto rongony ireto. Efa ho efa-bolana izay no nanaovany io varotra rongony io ary teratany afrikanina namany ihany no mpamatsy azy. Mbola mitohy kosa moa etsy andanin’izay ny fanadihadiana ataon’ireo pôlisy hikarohana ireo namany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici