- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Voasambotra ny ekipan-dRasihanaka mpanao fanafihana mitam-piadiana

Toamasina : Voasambotra ny ekipan-dRasihanaka mpanao fanafihana mitam-piadiana

Raha mihevitra ny hametraka ny lalany eto Toamasina ireo andian-jiolahy sy fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, izay mitady hiverina tato ho aty izay, dia miezaka ny mifehy azy ireo amin’ny fanovana paik’ady vaovao ny polisim-pirenena eto Toamasina. Noho io tetik’ady vaovao no nahatrarana ireo basy kalaky sy PA ary Revolver farany teo izay niaraka tamina bala maromaro sy tranom-bala na kalaky dimy ihany koa. Mitohy hatrany izany ho fametrahana filaminam-bahoaka eto Toamasina, indrindra fa hiatrika fifidianana ny vahoaka malagasy tsy ho ela ka mila fitoniana sy fandriampahalemana. Ny fiandohan’ny herinandro teo dia saron’ny polisy teto Toamasina indray koa ny ekiopan-drasihanaka izay telo lahy izy ireo no tsy misaraka mihintsy, dia ingahy isany Rasihanaka – Gabin – ary Ralava, amin’ny asa ratsy fanaon’izy ireo amin’ny fanafihana ireo heveriny fa hahazoam-bola. Efa ela nokarohana ireto ekipan-drasihanaka ireto saingy tafaporitsaka hatrany, saingy taorian’ity raharaha halatra moto izay nanambanan’izy ireo basy ity ramatoa iray hamonjy fodiana, dia norasim-potsiny izy ireo satria raha nitondra ity moto izy ireo izay efa niova ny lokony noho fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny mpanamboatra sy mpandoko moto, dia avy hatrany dia fantatry ny tompony ny moto-ny. Efa betsaka ihany koa ny fitoriana sy ny raharaha manenjika azy telo lahy ireto teo anivon’ny polisy, ka raha niakatra fitsarana izy ireo omaly talata dia avy hatrany dia nampidirin’ny fitsarana miandry fitsarana azy ireo ao Ambalatavoahangy. Na izany mbola manao antso avy amin’ireo olona mety tratra ny asa ratsin’izy telo lahy ireto ny polisy mba sahy hijoro vavolombelona amin’ny fitoriana azy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici