Tsy ahitana tamingana omby intsony any amin’iny Faritra Atsimo(Anôsy-Androy) iny amin’izao fotoana izao. Raha niara-nilevina tamin’ny omby maty iray, tsy izany intsony ny zava-misy fa asitrika fotsiny eny dia vita ny fandevenana. Tsy misy toy izany ihany koa ny omby mpitarika sarety sy lasaria na angadin’omby. Very tanteraka ny kolotsaina malagasy any atsimo raha misy fahoriana. Hany hery ny kibôtà no ampiasaina amin’ny fambolena. Olana amin’ny fampiasana traktera na kibôtà ny tsy fisian’ny gazoala na solika hampandehanana ny fitaovana moderina. Raha misy, lafo tsy zakan’ny fahefa-mividin’ireo tambanivolo. Noho ny tsy fisian’ny omby hangalarin’ireo malaso,dia ny fambolena indray no lasibatra. Amin’ny fotoan’ny fiakaran’ny vary sy ny vokatra any an-tsaha, miara-mirona ireo olon-dratsy mijinja azy ireny na koa andrasany hiakatara ny vary. Izy ireo indray no mitonona ho tompony. Very fanahy mbola velona ny mponina manolona ny fitadiavana sy izay hanin-kohanina.
Rom Farady